FIVORIAMBE IRAISAM-PIRENENA MOMBA NY FAHASALAMANA : MANAMAFY NY FIRAISAN-KINA HO AN’NY FAHASALAMAM-BAHOAKA I MADAGASIKARA
Nandritra ny fandraisana fitenenana teny amin’ny Fivoriambe Iraisam-pirenena momba ny Fahasalamana, dia nanamafy ny fahavononan’i Madagasikara hanohy ny fanavaozana ny rafitra ara-pahasalamana ho rafitra matanjaka, manakaiky vahoaka ary manome tolotra ara-pahasalamana ho an’ny rehetra.
Laharam-pahamehana ny fanatsarana ny fahasalaman’ny reny sy ny zaza, ny fanamafisana ny vaksiny ary ny ady amin’ireo aretina mifindra sy tsy mifindra.
Efa napetraka ny fitsaboana maimaim-poana ho an’ireo aretina fahita amin’ny zaza latsaky ny dimy taona sy ny zokiolona.
Nohamafisina ihany koa ny fandraisan’anjaran’ny Fanjakana amin’ny famatsiam-bola ny vaksiny ao anatin’ny PEV, ka nahafahana nanarina ireo ankizy “zéro dose” noho ny fiaraha-mientan’ny fiarahamonina.
Mitohy ny ezaka amin’ny fampihenana ny fahafatesan’ny reny sy ny zaza vao teraka amin’ny alalan’ny fanamafisana ny fahasalamana ara-pananahana, ny sakafo ary ny fikarakarana ny tanora.
Eo anatrehan’ny valanaretina toy ny MPOX, dia manamafy ny fiomanana sy ny fiatrehana i Madagasikara amin’ny alalan’ny fomba fiasa “One Health”.
Maneho fankasitrahana manokana ho an’ny OMS i Madagasikara noho ny fanohanana lehibe amin’ny fiatrehana ny MPOX, indrindra tamin’ny fahazoana vaksiny.
Manoloana ireo fanamby ara-bola maneran-tany, dia miantso fiaraha-mientana sy famatsiam-bola maharitra ho an’ny sehatry ny fahasalamana i Madagasikara.
MIASA MIARAKA HO AN’NY FANOVANA, MANASITRANA NY FIRENENA
Ny Fitaleavana ny Serasera 21-mai-2026