MADAGASIKARA MANAMAFY NY ADY AMIN’NY FANAFODY SANDOKA SY TSY ARA-PENITRA
Fandraisan’anjaran’i Madagasikara tamin’ny fivoriana avo lenta nokarakarain’ny Agence Africaine du Médicament sy ny Organisation Mondiale de la Santé ho fanamafisana ny fanaraha-maso ny fanafody
Antoka ho an’ny fahasalamam-bahoaka ny fampiasana fanafody azo antoka sy tsara kalitao. Araka ny tatitra avy amin'ny OMS anefa dia mbola maro ny fanafody sandoka sy tsy azo antoka mivezivezy any amin'ny tsena tsy ara-dalàna; ary izany dia isan'ny antony nananganana ny AMA izay hanohana sy hiara-miasa amin'ireo ivotoerana miandraikitra ny kalitaon'ny fanafody.
Ho an’i Madagasikara, ny fandraisana anjara tamin’ny hetsika fanentanana hiditra ho mpikambana ao amin’ny AMA dia nahafahana nifampidinika mahakasika ny fanamafisana ny fahaiza-manaon'ny Ivotoerana Nasionaly misahana ny Fanafody mba hiantohana ny fisian’ny fanafody tsara kalitao, azo antoka, amin’ny vidiny mirary.
Ny fidirana sy ny fanamafisana ny fandraisana anjaran’i Madagasikara ao anatin’ny AMA dia ahafahana manatsara sy manamafy ny fanaraha-maso atao amin’ny fanafody, ny fampitambarana ny hery eo amin'ny sehatra afrikanina mba hampihenana ny saran’ny fividianana fanafody ary ny fampiroboroboana ny fanamboarana fanafody eto an-toerana.
Ny Minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka dia manamafy ny fahavononany hiara-miasa amin’ireo mpiara-miombon’antoka iraisam-pirenena mba ahafahana miantoka ny kalitaon’ny fanafody ampiasaina amin’ny fitsaboana.
MIASA MIARAKA HO AN’NY FANOVANA, MANASITRANA NY FIRENENA
Ny Fitaleavana ny Serasera 23-mai-2026