FOTO-DRAFITRASA SY FITAOVANA HO AN'NY FAHASALAMAM-BAHOAKA AO AMIN'NY FARITRA AMORON'I MANIA
Sahamadio, Fandriana 23/05/2026
Fahasoavana miampy Fahasoavana ny mirotsaka ho an'ny vahoakan'i Sahamadio sy ny manodidina amin'izao fahazoana fotodrafitrasa ara-pahasalamana fototra sy fitaovana izao.
Mazava fa laharam-pahamehana amin'ny Fitondram-panjakana ankehitriny, ny fisitrahan'ny vahoaka rehetra tsy mifidy saranga ny fahasalamana manakaiky azy sy tsara kalitao satria tsy misy atao zanak'ikiala hafa izany ny Faritra raha ny sehatry ny fahasalamana no jerena.
Tonga nanome voninahitra izany fitokanana tobim-pahasalamana sy fizarana moto izany RANDRIANIRINA Michaël sy Ramatoa Vadiny ary ireo Mpanolotsaina Avo ny Fanavaozana ny Repoblikan'i Madagasikara.
Nisolotena an-dRamatoa Minisitry ny Fahasalamam-bahoaka izay mbola namita iraka any ivelany, ny Minisitrin'ny Fampianarana Ambony sy Fikarohana Ara-tsiansa nandritra izao hetsika lehibe izao.
Nanotrona ny fotoana ireo Tompon'andraikitra ambony avy ao amin'ny Minisiteran'ny Fahasalamam-bahoaka, notarihin'Andriamatoa Talen'ny kabinetra.
Izao fanamboarana ny tobim-pahasalamana fototra izao dia fiaraha-miasa miaraka nisy teo amin'ny Minisiteran'ny Fahasalamam-bahoaka sy ny The Church of Jesus Christ of Latter-day Saints sy ireo mpiara-miombon'antoka rehetra voakasika ity fotodrafitrasa sy fanolorana moto ity.
Ary tsapa sy hita fa ny fampitaovana natao dia manaporofo mazava fa manolo tena ny Governemanta amin'ny alalan'ny Minisiteran'ny Fahasalamam-bahoaka tarihin-dRamatoa Dr. MANAGNA Monira, ny amin'ny fanamafisana ny fahafahan'ny tobim-pahasalamana rehetra manome fitsaboana haingana sy maharitra, tsara sy mendrika ho an'ny rehetra ary indrindra hanohana ireo asa sarobidy ataon'ireo mpiasan'ny fahasalamana.
MIASA MIARAKA HOAN'NY FANOVANA, MANASITRANA NY FIRENENA
Ny Fitaleavana ny Serasera. sary : DRSP AMORON'I MANIA - COMM 23-mai-2026