FANAMAFISANA NY FAHASALAMANA ENY IFOTONY
Kitro ifaharan'ny asa fitsaboana tokoa ny any amin'ny fiaraha monina, ary anisan'ny mpisehatra fototra amin'ny fampiroboroboana ny Fahasalamana eny ifotony ireo Mpanentana ara-pahasalamana.
Ny Fitondrana Fanavaozana moa dia manamafy ny Zon'ny rehetra hisitraka fahasalamana n'aiza n'aiza misy azy ary indrindra ho an'ny isam-batan'olona izany.
Manatanteraka izany ny Minisiteran'ny Fahasalamam-bahoaka tarihin-dRamatoa Minisitra Dr. MANAGNA Monira, amin'ny alalan'ireo paikady maro samihafa sy miditra an-tsehatra maka traikefa sy fifanakalozana eo amin'ny sehatra Iraisam-pirenena.
Tao anatin'izany moa dia nanatrika ny fihaonana nokarakarain’ny CHDP momba ny “institutionnalisation de la santé communautaire” ny delegasiona Malagasy, ny Alakamisy 21 Mey 2026, ary nandray anjara tamin’ny fifanakalozan-kevitra sy fandraisam-pitenenana izy ireo.
Nisongadina nandritra ny dinika ny anjara toerana lehibe sahanin’ireo “Agents Communautaires” amin’ny fanamafisana ny soins de santé primaires sy ny fampidirana amin’ny fomba ofisialy ny fahasalamana eny ifotony ao anatin’ny rafitra ara-pahasalamana.
Samy nizara ny traikefany sy ny fomba fiasa mampiavaka azy ireo Firenena nandray anjara. Nanatrika ny fihaonana ihany koa ny solontenan’ny UNICEF.
MIASA MIARAKA HO AN’NY FANOVANA, MANASITRANA NY FIRENENA.
Ny Fitaleavana ny Serasera 25-mai-2026