FANATSARANA NY FOTO-DRAFITR’ASA SY FAMPITAOVANA ARA-PAHASALAMANA HO AN’NY VAHOAKA AO AMIN'NY FARITRA BOENY

Tontosa androany 26 mey 2026 ny fitokanana amin'ny fomba ofisialy ny Ivo-toerana fampiofanana ireo infirimiera sy mpampivelona na « Institut de Formation Inter-régional des Paramédicaux » (IFIRP) tao Mahajanga, izay notarihin’Andriamatoa Filohan'ny Fanavaozana ny Repoblikan'i Madagasikara Kôlonely RANDRIANIRINA Michaël.

Nandritra izany koa no nanolorany vola mitentina 3 000 000 Ar ho an'ireo mpianatra ao amin'ny IFIRP ho nofon-kena mitam-pihavanana.

Ho fanatsarana hatrany ny tolotra ara-pahasalamana eny ifotony dia notolorana fiara tsy mataho-dalana misy vata fampangatsiahana ho fitaterana ny vakisiny ny Distrika enina tao amin’ny Faritra Boeny :

  • Mahajanga I
  • Mahajanga II
  • Marovoay
  • Ambatoboeny
  • Mitsinjo
  • Soalala

Tonga nanotrona ny hetsika ny Mpanolotsaina Avon'ny Fanavaozana ny Repoblika, ny Filohan'ny Antenimieram-pirenena, ny Minisitrin’ny Fampianarana Ambony sy Fikarohana Ara-tsiansa, ireo Solombavambahoaka, ireo Tompon'andraikitra ambony avy ao amin'ny Minisiteran'ny Fahasalamam-bahoaka tarihin’Andriamatoa Talen’ny Kabinetra, ary ireo manam-pahefana sivily sy miaramila ary ny mpiara-miombon'antoka isan-tsokajiny.

 

Ny Fitondram-panjakana dia mametraka tanjona mazava fa zon'ny isam-batan'olona ny misitraka fahasalamana, ary ny Minisiteran'ny Fahasalamam-bahoaka tarihin-dRamatoa Minisitra Dr MANAGNA Monira dia manao ny ezaka rehetra hitondra fanavaozana eo amin'ny sehatry ny fisorohana sy ny fitsaboana ny vahoaka hatrany ifotony.

 

 

MIASA MIARAKA HO AN’NY FANOVANA, MANASITRANA NY FIRENENA.

 

 
 

Ny Fitaleavana ny Serasera.Sary : DRSP BOENY – COM. 26-mai-2026