NY MPANENTANA ARA-PAHASALAMANA (AGENTS COMMUNAUTAIRES) KITRO IFAHARAN’NY FAHASALAMAM-BAHOAKA ENY IFOTONY.

Rehefa avy nodinihina nandritra ny fihaonana eran-tany mikasika ny fahasalamana tany Genève tamin’ny herinandro lasa teo, dia notanterahina teto an-tanindrazana ny 26 mey lasa teo ny atrik’asa nandinihana ny sata mifehy ireo “Agents Communautaires” (AC), izay natao hijerena akaiky ny fanatsarana ny sehatry ny asa sy ny fari-piainan’izy ireo.

Marihina fa hatramin’izay dia antsitra-po no nanatanterahan’izy ireo ny asany teo anivon’ny fiarahamonina, nefa fantatra mazava fa anisan’ny singa lehibe iankinan’ny rafitra ara-pahasalamana fototra izy ireo.

Ireo AC ireo no mifanerasera akaiky indrindra amin’ny vahoaka, indrindra eo amin’ny lafiny fisorohana sy fanomezana torohevitra ara-pahasalamana eny ifotony.

Amin’izao fotoam-panavaozana izao dia manao ezaka lehibe ny Minisiteran'ny Fahasalamam-bahoaka tarihin-dRamatoa Minisitra Dr MANAGNA Monira amin’ny fanombanana sy fanatsarana ny rafitra ara-pahasalamana manomboka eny ifotony. Miara-mientana amin’izany ihany koa ireo andrim-panjakana isan-tsokajiny, toy ny Antenimieram-pirenena amin’ny alalan’ny Vaomiera misahana ny Fahasalamam-bahoaka.

Ny tanjona amin’izao hetsika izao dia ny hampidirana ireo AC hisitraka vola isam-bolana, ka hanaovana adisisika amin’izao fanitsiana ny tetibolam-panjakana izao.

Saika miara-miasa amin’ireo AC avokoa ny sehatra rehetra eo anivon’ny sampandraharaham-panjakana sy ireo mpiara-miombon’antoka, ka rariny sy hitsiny ny hijerena akaiky ny sata mifehy azy ireo.

Ny Solombavambahoakan’i Madagasikara mpikambana ao anatin’ny Vaomiera Fahasalamam-bahoaka sy ny “Direction des Soins de Santé de Base” (DSSB) eo anivon’ny Minisiteran'ny Fahasalamam-bahoaka no nanatanteraka ny atrik’asa, ary ny “ONG PIVOT” kosa no mpiara-miombon’antoka nanohana ny fanatanterahana ity fivoriana stratejika ity.

MIASA MIARAKA HO AN’NY FANOVANA, MANASITRANA NY FIRENENA.

Ny Fitaleavana ny Serasera 27-mai-2026