FANAMAFISANA NY FIARAHA-MIASA ARA-PAHASALAMANA EO AMIN’I MADAGASIKARA SY NY SOUTHERN MEDICAL UNIVERSITY CHINE
Ny andron'ny talata 26 mey 2026 tao amin’ny Minisiteran'ny Fahasalamam-bahoaka, Ambohidahy, dia noraisin’Andriamatoa Sekretera Jeneralin'ny Minisiteran'ny Fahasalamam-bahoaka, Dr RANDRIANAMBININA Stephanson Ephraïm, tao amin'ny efitrano malalaky ny Minisitera ireo delegasiôna notarihin'ny Filoha Lefitry ny Oniversite any Chine “Southern Medical University”, Prof XU Kewei.
Nivohitra tamin’ny fihaonana ny fanamafisana ny fiaraha-miasa eo amin’ny sehatry ny fahasalamam-bahoaka, indrindra amin’ny lafiny fampiofanana ara-pahasalamana.
Indro ny fintina an-tsary tamin’izany fihaonana sy fifandraisana izany.
MIASA MIARAKA HO AN’NY FANOVANA, MANASITRANA NY FIRENENA.
Ny Fitaleavana ny Serasera 27-mai-2026