FANAMAFISANA NY FIAROVANA ARA-PAHASALAMANA ENY AMIN’NY SISINTANY
Manoloana ny loza mety ateraky ny fidiran’ireo aretina mifindra toy ny Mpox, Ebola ary hantavirus, dia mitohy ny fanamafisana ny fanaraha-maso ara-pahasalamana eny amin’ireo vavahady fidirana eto Madagasikara.
Nandritra ny fitsidihana nataon’ny ekipan’ny Minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka teny amin’ny Ivato International Airport, notarihin’Andriamatoa Tale Jeneraly misahana ny Fisorohana ara-pahasalamana Dr RAKOTOARIMINO Andrianina Désiré, dia nojerena ny efitrano fitokana-monina (salle d’isolement) sy ireo lafiny mbola azo hatsaraina. Hita nandritra izany ihany koa ny fisian’ny caméra thermique eo amin’ny fidirana ao amin’ny seranam-piaramanidina, izay ahafahana manara-maso sy mamantatra mialoha ireo mpandeha mety ahitana fiakaran’ny maripanan’ny vatana, indrindra ireo avy any ivelany.
Nandritra izany no nahitana fa efa mipetraka tsara ireo fitaovana ireo ary efa miasa tanteraka amin’ny fitiliana ireo mety ahitana soritr’aretina hafahafa, mba handraisana fanapahan-kevitra haingana hisorohana ny fiparitahan’ny aretina.
Hitohy ny fanatsarana ny fotodrafitrasa sy ny fitaovana eny amin’ny sisintany mba hiantohana ny fiarovana ny fahasalaman’ny mponina sy hanamafisana ny fahavononan’i Madagasikara manoloana ireo loza ara-pahasalamana mety hitranga. Izany indrindra no nanolorana thermomètre frontal miisa 122 haparitaka manerana ireo seranam-piaramanidina eto Madagasikara. Hisy ihany koa ny fanolorana ambulance ho ampiasaina ao Ivato.
“Ny hamisavisana ny ratsy, hoy ny fahendrena malagasy, hiavian’ny soa.” Izay tsara fiomanana tokoa tsy tapohan’ny loza, ary aleo misoroka toy izay mitsabo.
Mikasika ny Mpox, dia hisy ny fanentanana ho amin’ny fanaovam-baksiny ireo mpiasa isan-tsokajiny eny amin’ny seranam-piaramanidina iraisam-pirenena Ivato ny 10, 11 ary 12 jiona ho avy izao.
MIASA MIARAKA HO AN’NY FANOVANA, MANASITRANA NY FIRENENA.
Ny Fitaleavana ny Serasera 27-mai-2026