FIARAHA-MIASA EO AMIN'I MADAGASIKARA SY NY VONDRON'NY FIRENENA MIKAMBANA

Anosy, 28 Mey 2026

Nankasitrahana tamin’ny fomba ofisialy androany Ramatoa Josiane Yaguibou, Mpisolontena maharitra ny UNFPA teto Madagasikara, taorian’ny asa sy fanoloran-tena nandritra ny telo taona. Ho mariky ny fankasitrahana sy ny finiavana nasehony, dia notolorana azy ny mari-boninahitra “Chevalier de l’Ordre National Malagasy”.

Nanatrika sy nanome voninahitra ny lanonana ny Minisitry ny Fahasalamam-bahoaka Dr MANAGNA Monira, izay nanamarika fa maro ny sehatra niaraha-niasa tamin’ny UNFPA, indrindra teo amin’ny fanatsarana ny fahasalaman’ny Reny sy ny Zaza, ary ny Minisitry ny Raharaham-bahiny Alice N'Diaye.

Mitohy hatrany ny fiaraha-miasa, ary hanamafy ny fanohanana ny fanjakana Malagasy hatrany ny UNFPA ho tombontsoan’ny vahoaka sy ny hoavin’ny Firenena.

MIASA MIARAKA HO AN’NY FANOVANA, MANASITRANA NY FIRENENA.

Ny Fitaleavana ny Serasera 28-mai-2026