FANATSARANA HATRANY NY COUSP (CENTRE D’OPÉRATION D’URGENCE DE SANTÉ PUBLIQUE)

Mitohy hatrany ny ezaka fanamafisana ny rafitra sy ny fitantanana ny COUSP eto Madagasikara. Taorian’ilay atrik’asa natokana hamolavolana ireo antontan-taratasy fototra ho fiomanana amin’ny fiatrehana ireo hamehana ara-pahasalamana, dia mitohy indray ny famolavolana ireo paikady maharitra izay hamaritra ny torolalana rehetra amin’ny resaka hamehana ara-pahasalamana sy fiatrehana ny valanaretina.

Tanjona amin’izany ny hamaritana mazava ny anjara asa sy andraikitry ny vondrona tsirairay ao anatin’ny COUSP nasionaly, mba hahafahana manana torolalana feno sy mazava ho enti-mitantana sy mampandeha tsara ny ivon-toerana.

Ezaka iarahan’ny rehetra ao anatin’ny Minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka tarihin-dRamatoa Minisitra Dr MANAGNA Monira izany, ho fanamafisana ny fahavononana sy ny fandrindrana manoloana ireo hamehana ara-pahasalamana sy ny mety ho valanaretina eto amin’ny firenena.

Hita taratra ao anatin’ity rafitra ity ny fiaraha-mientan’ny ankolafin-kery maro toy ny Minisiteran’ny Fiarovam-pirenena, Minisiteran’ny Fitaterana sy ny Famantarana ny Toetr’andro, Minisiteran’ny Toekarena sy ny Fitantanam-bola, Minisiteran’ny Fambolena sy ny Fahaleovantena ara-tsakafo, Minisiteran’ny Fiompiana, Minisiteran’ny Angovo sy ny Akoran’afo, OMS, Institut Pasteur de Madagascar, ary ASOS.

 

MIASA MIARAKA HO AN’NY FANOVANA, MANASITRANA NY FIRENENA.

29-mai-2026