FITSIDIHANA TANY AMIN’NY TOBIM-PAHASALAMAM-BAHOAKA AMBOASARY ATSIMO, FARITRA ANÔSY
Tonga nitsidika ny CSB1 Bekiria sy ny CSB2 Ranobe ao amin’ny Distrikan’Amboasary Atsimo, Faritra Anôsy, ny Talen’ny Fahasalaman’ny Fianakaviana (DSFa) Dr Toky Rajoelina sy ny Talen’ny mpiara-miombon’antoka “Reach Malaria”.
Nanamarika ity fitsidihana ity ny Hery sy fikirizana: lalana sarotra sady lavitra mirefy 108 km miala an’Amboasary Atsimo vao tonga any Ranobe. Sambany ihany koa no nisy “Directeur Central” tonga nijery ny zava-misy ifotony.
Tantsoroka mivaingana: nitondra fanafody ilain’ny CSB (anisan’izany ny Plumpy’Nut sy Plumpy’Sup ho an’i Tranomaro, Mahabo ary Ranobe) ho fanamaivanana ny fitaterana sy ny filàna eny ifotony.
Fijerena ny tantsoroka ilain’ny mpiasan’ny fahasalamana sy ny mpanentana ara-pahasalamana eny ifotony, ho fanatsarana ny tolotra sy ny fahafahana miatrika ny hamehana ara-pahasalamana.
Fampiofanana: nisy ny torohevitra sy fampianarana ireo mpiasan’ny fahasalamana mba hanamafisana hatrany ny kalitaon’ny asa.
Traikefa hita maso teny an-toerana:
Tsy misy fahatapahan’ny tahiry fanafody sy fitaovana (intrants tsy misy rupture)
Mandeha tsara ny fitiliana mavitrika ataon’ny Mpanentana Ara-pahasalamana (AC) isam-bolana
Mirindra ny fiaraha-miasa amin’ny alalan’ny fivoriana isam-bolana eo amin’ny AC sy ny CSB
Fanaraha-maso akaiky amin’ny alalan’ny tatitra isan-kerinandro momba ny fahafatesana eo anivon’ny fiarahamonina
Mampiseho fiaraha-mientana tanteraka ho fanatsarana ny fahasalamam-bahoaka izao hetsika izao.
Ny Fitaleavana ny Serasera 29-mai-2026