FITOKANANA NY CSB II TAO KIRANOMENA : DINGANA LEHIBE HO AN’NY FANATSARANA NY FAHASALAMAM-BAHOAKA

Notanterahina ny 27 Mey 2026 ny fitokanana tamin’ny fomba ofisialy ny CSB II vaovao tao Kiranomena, ao anatin'ny Distrikan’i Fenoarivobe.

Nanome voninahitra ity lanonana ity ny Sekretera Jeneralin’ny Minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka, niaraka tamin’ireo manampahefana isan-tsokajiny tao an-toerana, notarihin-dRamatoa Lehiben’ny Faritra sy ny Solombavambahoaka voafidy tao Fenoarivobe.

Ity fotodrafitrasa ara-pahasalamana vaovao ity dia vokatry ny ezaka mitohy ataon’ny Fitondram-panjakana amin’ny alalan’ny Minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka tarihin-dRamatoa Minisitra Dr MANAGNA Monira, amin’ny fanavaozana sy fanamafisana ny rafitra ara-pahasalamana fototra manerana ny Nosy.

Tanjon’izany ny hanatsarana hatrany ny kalitaon’ny tolotra ara-pahasalamana atolotra ny mponina sy hampanakaiky kokoa ny fitsaboana eo anivon’ny fiarahamonina.

 

Nandritra ny lanonana dia nohamafisina fa anisan’ireo laharam-pahamehana ny fanitarana sy fanatsarana ny fotodrafitrasa ara-pahasalamana, satria manampy betsaka amin’ny fanamorana ny fahazoan’ny vahoaka fitsaboana, indrindra ho an’ny reny sy ny zaza ary ireo sokajin’olona marefo.

MIASA MIARAKA HO AN’NY FANOVANA, MANASITRANA NY FIRENENA.

 
 

Ny Fitaleavana ny Serasera 29-mai-2026