FITSIDIHANA SY FIHAONANA FANAOVAM-BELOMA ARA-DIPLAOMATIKA

Taorian’ny lanonana fanaovam-beloma, dia tonga nitsidika an-dRamatoa Minisitry ny Fahasalamam-bahoaka, Dr MANAGNA Monira, ny Mpisolontena maharitry ny UNFPA eto Madagasikara, Ramatoa Josiane YAGUIBOU, ny zoma 29 Mey 2026.

Nandritra ny telo taona niasany teto Madagasikara dia niara-niasa akaiky tamin’ny Minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka izy, ary nandray anjara tamin’ny fanatsarana ny fahasalamam-bahoaka, indrindra ny fahasalaman’ny Reny sy ny Zaza.

Nisaotra sy nankasitraka azy Ramatoa Minisitra noho ny fiaraha-mientana, ny fandraisana andraikitra ary ny fanoloran-tena nasehony, izay nahitana fiantraikany lehibe teo amin’ny sehatry ny fahasalamana teto Madagasikara.

MIASA MIARAKA HO AN’NY FANOVANA, MANASITRANA NY FIRENENA.

Ny Fitaleavana ny Serasera 29-mai-2026