FANATSARANA NY FAHASALAMAM-BAHOAKA

Nosokafana tamin’ny fomba ofisialy androany ny fampiharana ny tetikasa “M.Ultrasound School” ao amin’ny CHUJRA – Hôpitaly Joseph Ravoahangy Andrianavalona, Ampefiloha.

Tetikasa iaraha-miasa amin’ny “MINDRAY” sy ireo mpitsabo matihanina izy ity, izay natao hampiofanana ireo mpiasan’ny fahasalamana amin’ny fanaovana fitarafana amin’ny alalan’ny échographie.

Tanjona amin’izany ny hanamora sy hanamafy ny traikefan’ireo mpiasan’ny fahasalamana amin’ny fanaovana échographie, indrindra any amin’ireo faritra mbola marefo ny fampiasana izany.

Ity fiaraha-miasa ity dia dingana lehibe ho an’ny fahasalamam-bahoaka Malagasy, amin’ny alalan’ny fiaraha-mientan’ny sehatra tsy miankina sy ny Minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka tarihin-dRamatoa Minisitra Dr MANAGNA Monira, izay mikendry hatrany ny fanatsarana ny fahaiza-manao ara-pitsaboana sy ny fahafahan’ny vahoaka misitraka fitsaboana tsara kalitao.

 

MIASA MIARAKA HO AN’NY FANOVANA, MANASITRANA NY FIRENENA

Ny Fitaleavana ny Serasera 29-juin-2026