FAMPITAOVANA NY FAHASALAMAM-BAHOAKA ANÔSY
Mazava ny vina napetraky ny Fitondram-panjakana fa anisan’ny laharam-pahamehana ny fahasalamam-bahoaka, satria zon’ny isam-batan’olona ny misitraka fitsaboana tsara kalitao. Ny Minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka tarihin-dRamatoa Minisitra Dr MANAGNA Monira dia tsy mitsahatra manatanteraka izany vina izany.
Tonga soa ao amin’ny Faritra Anôsy ireo fitaovana vaovao avy amin’ny Minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka, amin’ny alalan’ny Tetikasa PPSB, voarindran’ny UCP ary vatsian’ny Banky Iraisam-pirenena vola.
Ireto avy ireo fitaovana voaray tamin’izany:
Congélateurs solaires miisa 2,
Panneaux solaires miisa 2,
Convertisseurs miisa 2,
Batteries miisa 2.
Natao izao fanomezana fitaovana izao ho fanatsarana sy fanamafisana ny asa fitsaboana sy fitandrovana ny fahasalamam-bahoaka. Fantatra tokoa fa maro ireo aretina azo sorohina amin’ny alalan’ny fanaovam-baksiny, ka ilaina ny fananana fitaovana manara-penitra hiantohana ny fitahirizana ireo vaksiny.
MIASA MIARAKA HO AN’NY FANOVANA, MANASITRANA NY FIRENENA.
Ny Fitaleavana ny Serasera.Sary : DRSP ANÔSY – COMM 30-mai-2026