ANDRO IRAISAM-PIRENENA HANAMAFISANA NY TSY FIFOHANA SIGARA – JOURNÉE MONDIALE SANS TABAC

Andro Iraisam-pirenena hanamafisana ny tsy fihinanana paraky sy tsy fifohana sigara, izay ao Antsiranana no ivon’ny fanamarihana izany ny 31 Mey 2026.

Manoloana izany dia nigadona androany maraina 30 Mey 2026 hanome voninahitra izany hetsika izany Ramatoa Minisitry ny Fahasalamam-bahoaka Dr MANAGNA Monira.

Tonga nitsena azy ireo manam-pahefana avy ao amin’ny Faritra sy ireo mpiara-miasa ao amin’ny Fitaleavam-paritry ny Fahasalamam-bahoaka.

Fomba fiasa efa mahazatra an-dRamatoa Minisitra rehefa mandalo amin’ny Faritra ny manao fitsidihana, mihaona ary mifanakalo hevitra amin’ireo mpiasan’ny fahasalamana rehetra.

MIASA MIARAKA HO AMIN’NY FANOVANA, MANASITRANA NY FIRENENA.

Ny Fitaleavana ny Serasera.Sary : DRSP DIANA – COMM 30-mai-2026