FANKALAZANA NY ANDRO IRAISAMPIRENENA TSY FIHINANA PARAKY SY TSY FIFOHANA SIGARA 2026

FARITRA DIANA – ANTSIRANANA

Ndao hiady amin’ny fiankinan-doha amin’ny nikotina, ny paraky ary ny sigara.

Notanterahina tao Antsiranana ny fankalazana ny Andro Iraisam-pirenena ho an’ny tsy fihinanana paraky sy tsy fifohana sigara, hetsika natao hanentanana ny mponina hiaro ny fahasalamany sy handray anjara amin’ny ady amin’ny voka-dratsin’ny fifohana sigara.

Natomboka tamin’ny “carnaval” namakivaky ny tampon-tanànan’Antsiranana ny hetsika, notarihin-dRamatoa Minisitry ny Fahasalamam-bahoaka Dr MANAGNA Monira, niaraka tamin’ireo manam-pahefana isan-tsokajiny tao an-toerana, nahitana ny Lehiben’ny Faritra, ny Préfet, ny Lefitry ny Ben’ny Tanànan’Antsiranana ary ireo tompon’andraiki-panjakana sy mpiara-miombon’antoka maro.

Taorian’izany dia notanterahina ny lanonana fanokafana tamin’ny fomba ofisialy, narahin’ny fandraisam-pitenenana samihafa izay nanamafy ny maha-zava-dehibe ny fisorohana sy ny ady amin’ny vokatra misy paraky, ho fiarovana ny fahasalaman’ny vahoaka sy ny taranaka ankehitriny ary ny ho avy.

Nandritra ny fotoana ihany koa no nanolorana loka ho an’ireo ekipa efatra voalohany tamin’ny fifaninanana basikety, izay isan’ny hetsika fanentanana natao nandritra izao fankalazana izao, mampisongadina ny anjara toeran’ny fanatanjahantena amin’ny fampiroboroboana ny fomba fiaina ara-pahasalamana.

Nofaranana tamin’ny fitsidihana ireo trano heva fampirantiana ny hetsika, ka isan’izany ny tranohevan’ny fanaovana vaksiny miady amin’ny aretina Mpox, ny tranohevan’ny Fiangonana Advantista ary ny tranohevan’ny OFNALAT, izay samy nandray anjara tamin’ny fanabeazana sy fanentanana ny vahoaka momba ny fahasalamana.

 

Manamafy hatrany ny Minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka sy ireo mpiara-miombon’antoka aminy ny ezaka ho fanatsarana ny fahasalaman’ny mponina, amin’ny alalan’ny fisorohana ny fihinanana paraky sy fifohana sigara ary ny fampiroboroboana ny fomba fiaina mahasalama.

Ny Fitaleavana ny Serasera 31-mai-2026