FITSIDIHANA NY CHU PLACE KABARY : FANAVAOVANA SY FANAMAFISANA NY RAFITRA ARA-PAHASALAMANA HO TOMBONTSOAN’NY VAHOAKA
Faritra Diana – Antsiranana (Diego-Suarez)
Nandritra ny fankalazana ny Andro Iraisam-pirenena Tsy Fihinana Paraky sy Tsy Fifohana Sigara tany amin’ny Faritra Diana, Antsiranana, dia mbola nohamafisin’ny Minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka ny fanakaikezana ny vahoaka sy ny fanatsarana ny rafitra ara-pahasalamana.
Tao anatin’izany, ny alahady 31 Mey, no nanatanterahan-dRamatoa Minisitry ny Fahasalamam-bahoaka Dr MANAGNA Monira fitsidihana ara-pahasalamana tao amin’ny CHU Place Kabary (Diego-Suarez), fotoana izay isan’ny laharam-pahamehana aminy rehefa midina ifotony izy, ho fanatsarana hatrany ny tontolon’ny fitsaboana eto Madagasikara.
Nandritra io fitsidihana io dia nisy ny fifanakalozana mivantana tamin’ireo mpiasan’ny fahasalamana sy ireo tompon’andraikitra, izay heverina ho tompon’andraikitra voalohany amin’ny fanatanterahana ny asa fanompoam-bahoaka. Ity hetsika ity dia natao indrindra hanamafisana ny rafitra ara-pahasalamana sy hanatsarana ny kalitaon’ny tolotra omena ny vahoaka.
MIASA MIARAKA HO AMIN’NY FANOVANA, MANASITRANA NY FIRENENA.
Ny Fitaleavana ny Serasera 01-juin-2026