Fijerena ny maha-olona

FANDRINDRANA NY FIAINAM-PIANAKAVIANA

3 220 000 isa ny vehivavy mampiasa tsy tapaka ny fandrindrana ny fiainam-pianakaviana

Vain-dohan-draharaha ny Fitondram-panjakana amin’ny alalan’ny Ministeran’ny Fahasalamam-bahoaka ny hanatsara hatrany ny kalitaon’ny fitsaboana sy hanome lanja ny maha olona eto Madagasikara araka any ny Politika ankapoben’ny fitondram-panjakana.

Tafiditra ao anatin’izany ny hetsika 100 andro ho an’ny fandrindrana fiainam-pianakaviana izay notanterahina manerana ny Nosy. Tsikaritra nandritra ny hetsika fa mbola maro ireo fianakaviana no tokony hampiasa fandrindrana fiainam-piainakaviana, araka izany nisy ny fanentanana sy fahampafantarana izay notanterahin’ireo mpisehatra eo amin’ny fahasalamana. Ankoatran’izay ihany koa dia nisy niy fandraisana ireo Reny izay vonona handrindra ny Fiainam-Pianakaviany teny ifotony tamin’ny alalan’ireo “clinique mobile”

 

Ity hetsika 100 andro ity dia natao hanamafisana ny fanentanana sy ny fahampahafantarana ny tombotsoa azo avy amin’ny fampiasana ny fandrindrana fiainam-piankaviana.

 

Mihoatra ny tanjona napetraka tao anatin’ny 100 andro

Koa satria programan’ny Governemanta ny Fandrindrana ny Fiainam-Pianakaviana dia niara-nisalahy tamin’ny fanentanana ny ministera maromaro toy ny ministeran’ny mponina sy ny firaisan-kina tamin’ny alalan’ireo Fikambanam-behivavy, ny Ministeran’ny fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa tamin’ny alalan’ny Anjerimanontolo, ny ministeran’ny tanora sy ny fanatajahan-tena tamin’ny alalan’ireo vondron'ny tanora aman'arivony, izay no niara-niantsehatra ka nahafahana nanatratra ny tanjona napetraka.

1269: Fikambanam-behivavy 

72: Anjerimanontolo miankina na tsy miankina amin’ny Fanjakana 

454: Tranoben’ny tanora 

456: Cliniques mobiles

 

SCM/DIRCOM 15-mai-2024

Zoom sur

Nos autres Activités