FANOKAFANA AMIN’NY FOMBA OFISIALY NY FANKALAZANA NY FAHA-66 TAONA NAHAZOAN’I MADAGASIKARA FAHALEOVAN-TENA
Faritra Diana – Antsiranana (Diego-Suarez)
Nosokafana tamin’ny fomba ofisialy androany teo amin’ny Parvis Analakely ny fankalazana ny faha-66 taona nahazoan’i Madagasikara fahaleovan-tena. Nomarihina tamin’ny fananganana ny sainam-pirenena teo amin’ny Parvis Analakely ihany koa izany.
Mitondra ny lohahevitra hoe “Fanavaozana ho an’ny Fandrosoan’i Madagasikara” ity fankalazana ity, maneho ny finiavan’ny firenena hanamafy ny fampandrosoana sy ny fanavaozana amin’ny sehatra rehetra.
Nanome voninahitra ny lanonam-panokafana ireo Mpanolotsaina Avon’ny Fanavaozana ny Repoblika, ny Praiminisitra Lehiben’ny Governemanta, ny Filohan’ny Fitsarana Avo momba ny Lalampanorenana, ireo mpikambana ao amin’ny Governemanta, ny Filoha Lefitry ny Antenimieram-pirenena, ary ireo tompon’andraiki-panjakana sivily sy miaramila ary ny mpiasam-panjakana isan-tsokajiny.
Nandray anjara mavitrika tamin’izao hetsika izao ny Minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka.
Nanakoako nandritra ny lanonana ireo hafatra maro maneho ny fitiavan-tanindrazana, ny firaisankina ary ny andraikitra iombonana amin’ny fampandrosoana an’i Madagasikara.
Ny fitiavan-tanindrazana sy ny firaisan-kina no antoky ny fanavaozana sy ny fandrosoan’ny firenena, ary manentana ny rehetra haneho izany amin’ny fananganana ny sainam-pirenena eny amin’ny isan-tokantrano.
MIASA MIARAKA HO AN’NY FANOVANA, MANASITRANA NY FIRENENA.
Ny Fitaleavana ny Serasera 01-juin-2026