FITSINJOVANA NY FAHASALAMAM-BAHOAKA - MIARA-MIENTANA NY TOMPON'ANDRAIKIM-PANJAKANA AO AMIN'NY FARITRA ANÔSY

Taorian'ny fananganana ny Komity mpanara-maso ny ady atao amin'ny fivarotana fanafody tsy ara-dalàna, anisan'izany ny "Plumpy'Nut/Sup", dia efa nanatanteraka ny asa sy fidinana eny amin'ny fiaraha-monina ireo tompon'andraikitra.

Tao amin'ny Kaominina Manambaro no nanombohana izany, ary nitarika ny hetsika ny Lehiben'ny Faritra Anôsy sy ny Fileovan'ny Taolagnaro.

Ny tanjona dia ny hanentana ny vahoaka handray andraikitra amin'ny fahasalamany amin'ny alalan'ny:

  • Fanatonana tobim-pahasalamana hatrany rehefa marary.
  • Fisorohana ny fividianana sy fivarotana fanafody ary sakafo fanampiny natokana hozaraina maimaim-poana.

Ny dingana manaraka dia ny fanohizana ny hetsika any amin'ny Distrikan'Amboasary Atsimo sy Betroka, miaraka amin'ny fananganana komity any an-toerana ihany koa.

 

Mazava fa ny Fitondram-panjakana, amin'ny alalan'ny Minisiteran'ny Fahasalamam-bahoaka tarihin-dRamatoa Minisitra Dr. MANAGNA Monira, dia manao ezaka hatrany hampiroboroboana ny fahasalamana manerana ny faritra, indrindra amin'ny lafiny fisorohana, satria zon'ny rehetra ny misitraka fahasalamana tsara.

MIASA MIARAKA HO AN'NY FANOVANA, MANASITRA FIRENENA.

 
 

Ny Fitaleavana ny Serasera. 02-juin-2026