FITSINJOVANA NY FAHASALAMAM-BAHOAKA - MIARA-MIENTANA NY TOMPON'ANDRAIKIM-PANJAKANA AO AMIN'NY FARITRA ANÔSY
Anisan’ny laharam-pahamehan’ny Minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka ny fisorohana sy fitsaboana ireo fahasembanana miseho hatrany am-bohoka, isan’izany ny mivadi-tongotra (Pied bot), izay fahasembanana eo amin’ny tongotry ny zaza mety hiteraka fahasahiranana amin’ny fivezivezena sy fahasembanana maharitra raha tsy voatsabo ara-potoana.
Ao anatin’ny fanamarihana ny Andro Maneran-tany ho an’ny ady amin’ny Mivadi-tongotra, dia asongadina ny ezaka vita teto Madagasikara tamin’ny fitiliana sy fitsaboana ity fahasembanana ity. Efa maherin’ny 4 000 ireo ankizy nahazo fitsaboana tamin’ny alalan’ny fomba Ponseti sy ireo fitsaboana ara-pandidiana mifanaraka amin’ny filàna, ka nahafahana nanitsy ny tongotr’izy ireo sy nanampy azy ireo hiverina amin’ny fiainana ara-dalàna.
Mitondra ny lohahevitra hoe: “Hetsika mialoha ho an’ny ankizy tsirairay : fitiliana, fitsaboana ary fanaraha-maso ny Mivadi-tongotra eto Madagasikara”, ity fanamarihana ity dia manamafy ny maha zava-dehibe ny fitiliana sy ny fandraisana an-tanana haingana ireo tranga vao teraka.
Ho fanohizana ny asa efa vita, dia tanterahina manerana ireo Faritra 24 eto Madagasikara ny hetsika fanentanana sy fitiliana, mba hahafahana mamantatra sy mitsabo ara-potoana ireo ankizy voakasika.
Manamafy hatrany ny fanoloran-tenany ny Minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka sy ireo mpiara-miombon’antoka aminy amin’ny fanomezana fitsaboana manara-penitra sy ara-potoana ho an’ireo ankizy manana mivadi-tongotra, mba hahafahan’izy ireo mitombo sy mivelatra ara-dalàna ary mandray anjara feno amin’ny fiainam-piarahamonina
MIASA MIARAKA HO AN'NY FANOVANA, MANASITRA FIRENENA.
Ny Fitaleavana ny Serasera.sary DRSP ANÔSY - COMM 03-juin-2026