FITSIDIHAN'NY SOLONTENAN'NY COI SY FIHAONANA AMIN’NY MINISITRY NY FAHASALAMAM-BAHOAKA

Nandray ireo solontena avy amin’ny Commission de l’Océan Indien (COI) ny Minisitry ny Fahasalamam-bahoaka, Dr. MANAGNA Monira, androany. Ireo solontena ireo dia ao anatin’ny iraka ataon’ny CDC-One Health eto Madagasikara, izay haharitra ny 1 ka hatramin’ny 9 jona 2026.

Nivoitra nandritra ity fihaonana ity ny fanamafisana ny fahasalamana tokana (One Health), indrindra eo amin’ny sehatry ny climat-santé, ny fampitomboana ny fahaiza-manao ary ny fampandrosoana ny fifandraisana sy ny fiomanana amin’ny loza ara-pahasalamana.

Ity fiaraha-miasa ity dia porofo fa vonona i Madagasikara amin’ny fametrahana paikady hanamafisana ny fiomanana sy ny fahaiza-manao hiatrehana ireo loza ara-pahasalamana mifandray amin’ny fisehoan’ny aretina vaovao.

 

MIASA MIARAKA HO AN’NY FANOVANA, MANASITRANA NY FIRENENA

Ny Fitaleavana ny Serasera. 03-juin-2026