FANAMAFISANA NY RAFITRA FANARAHA-MASO ARA-PAHASALAMANA

Miroso hatrany ny Minisiteran'ny Fahasalamam-bahoaka tarihin-dRamatoa Minisitra Dr. MANAGNA Monira, amin’ny fanamafisana ny rafitra fanaraha-maso ny valanaretina sy ireo tranga misy fiantraikany amin’ny fahasalamam-bahoaka.

Mpiasan'ny fahasalamana avy amin'ireo tobim-pahasalamana miankina sy tsy miankina amin’ny Fanjakana, miisa 80 avy ao amin’ny SDSP Toamasina I sy II, no mandray anjara amin’ny fiofanana maharitra 9 andro mahakasika ny fanaraha-maso ny aretina.

Ny fiofanana dia mifantoka amin’ny fitiliana mialoha, ny famantarana haingana, ary ny fampahafantarana ara-potoana ireo tranga mety hampidi-doza ny fahasalamam-bahoaka, amin’ny alalan’ny fampiasana fitaovana elektronika ho fampitana izany.

Nandritra ny fanokafana ofisialy, ny Sekretera Jeneralin’ny Minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka dia nanamafy ny maha-zava-dehibe ny fanatsarana ny kalitaon’ny antontan’isa ara-pahasalamana sy ny fampiharana ireo fomba fiasa mahomby eny amin’ny tobim-pahasalamana.

 

Ho fanohanana izany dia nomena tablette sy powerbank ireo mpandray anjara, mba hiantohana ny fitohizan’ny fandefasana tatitra ara-potoana sy marina.

MIASA MIARAKA HO AN’NY FANOVANA, MANASITRANA NY FIRENENA.

 
 

Ny Fitaleavana ny Serasera.Sary:DRSP ATSINANANA - COMM. 04-juin-2026