FANATSARANA NY FAHASALAMANA EO ANIVON'NY HOPITALY BE TOAMASINA - CHU ANALAKINININA
Nidina ifotony tao amin’ny CHU Analakininina ny Sekretera Jeneralin’ny Minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka mba hijery mivantana ny zava-misy sy hanamafy ny fanaraha-maso ny tolotra ara-pahasalamana.
Nandritra izany dia natao ny fanombanana ny fomba fandraisana marary sy ny fandehanan’ny tolotra ao amin’ny hôpitaly. Nomena toromarika ireo tompon’andraikitra mba hanatsara ny kalitaon’ny fandraisana marary sy ny fitsaboana, ary hanamafy ny fanajana ny mahaolona sy ny zon’ny marary.
Nohamarinin’ny Sekretera Jeneralin’ny Minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka ihany koa ny toerana natokana handraisana ireo mararin’ny MPOX, ka nasiana fanamafisana ny fepetra ara-pahasalamana sy ny fahavononana amin’ny fitantanana ireo tranga mety hiseho.
Ity fidinana ifotony ity dia natao hanatsarana ny fahombiazan’ny serivisy ara-pahasalamana sy hanamafisana ny kalitaon’ny fitsaboana omena ny vahoaka ao Toamasina.
Ny Fitaleavana ny Serasera. 04-juin-2026