FANDRAISANA ARA-TEKNIKA NY ASA FANARENANA SY FAMPITAOVANA NY SERVICE NEURO-PSYCHIATRIE - CHU ANALAKINININA TOAMASINA
FANDRAISANA ARA-TEKNIKA NY ASA FANARENANA SY FAMPITAOVANA NY SERVICE NEURO-PSYCHIATRIE - CHU ANALAKINININA TOAMASINA
Anisan'ireo fotodrafitr'asa nahitana fahasimbana goavana, nandritra ny fandalovan'ny rivo-doza GEZANI, ny sampan-draharaha misahana ny fahasalamana ara-tsaina ao amin'ny CHU Analakininina Toamasina.
Ny fitondram-panjakana amin'ny alalan'ny Minisiteran'ny Fahasalamam-bahoaka tarihin-dRamatoa Minisitra Dr. MANAGNA Monira dia miara-miasa tanteraka amin'ireo mpiara-miombon'antoka isan-tsokajiny amin'ny fanarenana sy fampitaovana ireo hôpitaly sy tobim-pahasalamana nahitana fahasimbana.
Manoloana izany indrindra, dia notanterahina androany ny fandraisana ara-teknika ny fanavaozana ny trano sy fanomezana fitaovana amin'ny ampahany ho an'ny sampan-draharaha misahana ny fahasalamana ara-tsaina ao amin'ny CHU Analakininina, Fitaleavam-paritry ny Fahasalamam-bahoaka Atsinanana.
Ka ny SPAT (Société du Port à gestion Autonome de Toamasina) no nanavao ny trano izay tena mafy, manaraka ny fenitra afaka miatrika rivo-doza (anti-cyclone), ka 16 no isan'ny efitrano nohavaozina amin'izao tapany voalohany izao.
Ny société HITA kosa no nanome fitaovana maro samihafa hampiasaina toy ny :
-
Lit d'hôpital complet
-
Poupinel
-
Extracteur d'Oxygène
-
ECG
-
Potence sérum
-
Thermomètre
-
Oxymètre
-
Chariot de soins
-
Boîte à pansement complète
Ny Tale Jeneraly misahana ny Fisorohana ara-pahasalamana, nisolo tena ny Minisitry ny Fahasalamam-bahoaka, no nitarika ny fandraisana ara-teknika sy naneho fankasitrahana ireo mpiara-miombon’antoka sy ny manam-pahefana ao an-toerana noho ny fiaraha-mientana amin’ny fanarenana sy fanatsarana ny tolotra ara-pahasalamana ho an’ny vahoaka.
MIASA MIARAKA HO AN'NY FANOVANA, MANASITRANA NY FIRENENA.
Ny Fitaleavana ny Serasera.Sary:DRSP ATSINANANA - COMM. 05-juin-2026