FITILIANA SY FANDIDIANA CATARACTE MAIMAIMPOANA – CHRR AMBOSITRA

Ho fanamafisana ny ezaka ataon’ny Minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka tarihin-dRamatoa Minisitry ny Fahasalamam-bahoaka Dr. MAGNANA Monira amin’ny fanakaikezana ny tolotra ara-pahasalamana ho an’ny vahoaka, dia notanterahina tao amin’ny CHRR Ambositra ny hetsika fitiliana maimaim-poana ny areti-maso cataracte arahin’ny fandidiana, izay naharitra nandritra ny telo andro.

Hetsika mitondra fanantenana sy fahasitranana mivantana ho an’ireo marary, indrindra ireo efa niaina fahasahiranana teo amin’ny fahitana nandritra ny fotoana ela. Hita taratra amin’ny endrik’ireo marary ny hafaliana sy ny fahafahana miverina mahita mazava indray, izay manova mivantana ny fiainany andavanandro sy ny fianakaviany.

Ankoatra ny fitiliana sy ny fandidiana dia nisy ihany koa ny fanolorana sy fanamafisana fitaovana ary fanafody ho an’ny sampandraharaha misahana ny maso, entina hanatsarana hatrany ny kalitaon’ny fitsaboana omena ny vahoaka.

Tsy azo idivirana fa mandroso sy mihatsara hatrany ny fahaiza-manaon’ny CHRR Ambositra, satria nanomboka izao dia manana mpandidy maso roa vaovao ny hopitaly, ka afaka manohy ny fandidiana cataracte isan’andro ho fanompoana maharitra ny vahoaka.

Ity hetsika ity dia tanteraka noho ny fiaraha-miasa eo amin’ny Minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka sy ny LIONS SIGHT FIRST MADAGASCAR, miaraka amin’ny fanohanana sy fandraisan’anjaran’ireo tompon’andraikitra sy manam-pahefana eto an-toerana.

Tanjona ny fanasitranana, ny fanarenana ny fahitana ary ny fanomezana fahafahana ny vahoaka hiverina amin’ny fiainana feno sy mavitrika.

MIASA MIARAKA HO AN’NY FANOVANA, MANASITRANA NY FIRENENA.

 

 

Ny Fitaleavana ny Serasera.Sary: DRSP AMORON'I MANIA - COMM. 06-juin-2026