FITAOVANA ARA-PAHASALAMANA VOAKOJAKOJA TSARA, FIAROVANA TSARA HO AN’NY VAHOAKA
Ao anatin’ny fanamafisana hatrany ny kalitaon’ny tolotra ara-pahasalamana manerana an’i Madagasikara, dia manohy mampivelatra ny fahaiza-manaon’ireo teknisianina biomédikaly ny Minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka, tarihin-dRamatoa Minisitry ny Fahasalamam-bahoaka Dr. MANAGNA Monira.
Nandritra ny fiofanana naharitra efatra andro, dia nohamafisina ny traikefa sy ny fahaizan’ireo teknisianina amin’ny fitantanana sy fikojakojana ireo fitaovana ara-pahasalamana ampiasaina eny anivon’ireo hopitalim-panjakana. Tanjona ny hiantohana fa miasa ara-dalàna sy maharitra ireo fitaovana ilain’ny marary sy ny mpiasan’ny fahasalamana isan’andro.
Tafiditra ao anatin’ny tetikasa PPSB, izay tantanin’ny UCP sy vatsian’ny Banky Iraisam-pirenena vola, ity hetsika ity. Hopitaly miisa 23 (CHRR sy CHRD) manerana ny Nosy no misitraka izany fanamafisana fahaiza-manao izany.
Ny fitaovana ara-pahasalamana voakarakara tsara dia antoky ny fitohizan’ny tolotra sy ny fahombiazan’ny fitsaboana. Manampy amin’ny fanatsarana ny fitiliana sy ny fikarakarana ny marary izany, sady mampihena ny mety ho fahatapahan’ny asa eny anivon’ireo tobim-pahasalamana sy hopitaly.
Ho an’ny vahoaka, midika fahazoana fitsaboana manara-penitra kokoa, azo antoka kokoa ary mahomby kokoa izany ezaka izany. Rehefa miasa tsara ny fitaovana dia mihatsara ny kalitaon’ny tolotra omena ny marary ary mitombo ny fahatokisan’ny mponina ny rafitra ara-pahasalamana.
Porofon’ny fahavononan’ny Minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka tarihin-dRamatoa Dr. MANAGNA Monira hatrany izao hetsika izao, amin’ny fanomezana tolotra ara-pahasalamana azo antoka, maharitra ary manakaiky ny filan’ny mponina manerana an’i Madagasikara.
MIASA MIARAKA HO AN’NY FANOVANA, MANASITRANA NY FIRENENA
Ny Fitaleavana ny Serasera.Sary : DCAMUM 09-juin-2026