Tombana amin’ny fiatrehana ny valanaretina Mpox

Nitarika fihaonana niaraka tamin’ireo mpikambana ao amin’ny Comité Restreint eo anivon’ny COUSP Nasionaly Ramatoa Minisitry ny Fahasalamam-bahoaka, Dr. MANAGNA Monira, hanaovana tombana ny fandrosoan’ny asa sy ny fepetra efa napetraka amin’ny fiatrehana ny valanaretina Mpox eto Madagasikara.

Nandritra izany no nifampizaran’ireo mpandray anjara ny zava-misy eny ifotony sy ny traikefa azo teo amin’ny fitantanana ny valanaretina, indrindra ny fanohanana ireo mpiasan’ny fahasalamana sy ny fanatsarana ny fikarakarana sy fitsaboana ireo marary.

Nodinihina ihany koa ireo fanamby mbola sedraina sy ireo laharam-pahamehana mila hamafisina mba hahafahana manome valiny haingana sy mahomby manoloana ny fiparitahan’ny aretina.

Nanome toromarika mazava Ramatoa Minisitra hanamafisana ny fandrindrana ny asa sy ny fandraisana andraikitra eny amin’ny sehatra rehetra, ary hitadiavana vahaolana mifanaraka amin’ny zava-misy mba hiantohana ny fahombiazan’ny ady amin’ny Mpox.

Mitoetra ho laharam-pahamehana ny fiarovana ny fahasalaman’ny vahoaka, ka mitohy ny ezaka iarahan’ny mpisehatra rehetra hanamafisana ny fiomanana sy ny fandraisana andraikitra ho fiarovana ny fahasalaman’ny Malagasy.

 

MIASA MIARAKA HO AN’NY FANOVANA, MANASITRANA NY FIRENENA.

Ny Fitaleavana ny Serasera 11-juin-2026