FAHASALAMANA MANAKAIKY KOKOA NY VAHOAKA
Fanolorana fiara tsy mataho-dàlana miisa 11 entina hanamafisana ny rafitra ara-pahasalamana.
Anisan'ny andry iray lehibe anatin'ny Politika Ankapoben'ny Fanjakana (PGE) ny fitsinjovana ny maha-olona.
Marihina fa ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina dia nametraka laharam-pahamehana hatrany ireo paik'ady hanatsarana hatrany ny fahasalamam-bahoaka .
Manantanteraka izany ny Ministeran’ny fahasalamana tohanan’ireo mpiara-miombon’antoka ka izany no ampiasàna ireto fitaovana vaovao ireto, indrindra ho an’ny fijerena manokana ny fahasalaman’ny reny sy ny zaza.
Ankoatran’ny teny fisaorana dia nohamafisin’ny Prof. Zely Arivelo RANDRIAMANANTANY Ministry ny Fahasalamam-bahoaka, tamin'ny lanonam-panolorana ny famaliana izany filàna izany ka ahafahan’ny tompon’andraikitra samihafa midina ifotony.
Zava-dehibe hatrany hoy izy ny fikojakojàna ny fitaovana sy ny fitantanana ara-drariny
Vahoaka Salama no Antoky ny Fampandrosoana maharitra
SCM/DIRCOM 12-sept.-2024