FANAMAFISANA NY FAHAIZA-MANAO AMIN’NY FIKOJAKOJANA SY FAMPIASANA NY FITAOVANA FITARAFANA (RADIOGRAPHIE)
Ao anatin’ny fanatsarana hatrany ny kalitaon’ny tolotra ara-pahasalamana sy ny fanamafisana ny faharetan’ny rafitra ara-pahasalamana eto Madagasikara, dia manatanteraka fiofanana manokana momba ny fitantanana, fampiasana ary fikojakojana ny fitaovana fitarafana (radiographie) ny Ministeran’ny Fahasalamam-bahoaka miaraka amin’ireo mpiara-miombon’antoka aminy.
Mifandraika amin’ireo fitaovana radiographie miisa 50 izay novatsiana sy napetraka eny anivon’ireo CHU, CHRR ary CHRD manerana ny Nosy ao anatin’ny tetikasa PPSB (Projet de Préparation aux Pandémies et de Prestation de Services de Santé de Base) ity fiofanana ity. Tanjona ny hanamafisana ny fahaiza-manaon’ireo teknisiana sy tompon’andraikitra misahana ny fikojakojana mba hiantohana ny fampiasana araka ny tokony ho izy ireo fitaovana sy ny faharetan’ny asa fanompoana omeny.
Mandritra ny roa andro, ao amin’ny Radisson Blu Hotel Antananarivo, no hanatanterahana ny fiofanana izay handraisan’ireo teknisiana sy tompon’andraikitra avy amin’ireo hopitaly voakasika anjara.
Anisan’ny dingana lehibe hanatsarana ny kalitaon’ny fitiliana sy ny fikarakarana ara-pahasalamana ity hetsika ity, amin’ny alalan’ny fanamafisana ny fahaiza-manaon’ny mpisehatra sy ny fikojakojana maharitra ireo fitaovana ara-pitsaboana.
MIASA MIARAKA HO AN’NY FANOVANA, MANASITRANA NY FIRENENA.
Ny Fitaleavana ny Serasera. Sary :DHRD 09-juin-2026