VONONA HIARO NY FIRENENA MANOLOANA NY HAMEHANA ARA-PAHASALAMANA

Tsy miandry ny fisian’ny krizy vao mihetsika ny Minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka. Ao anatin’ny ezaka fanamafisana ny fiomanana sy ny fisorohana dia notanterahina ny fiofanana momba ny Fisorohana sy Fifehezana ny Aretina Mifindra (PCI), niarahana tamin’ny STRIDES, ny OIM ary ny Ravinala Airports.

Tanjona ny hanamafisana ny fahaiza-manaon’ireo mpisehatra eny anivon’ireo seranam-piaramanidina sy vavahady fidirana eto Madagasikara, mba hahafahan’izy ireo mamantatra sy mandray andraikitra haingana manoloana ireo loza mitatao ara-pahasalamana.

Ao ambadiky ny asa andavanandro dia mitohy hatrany ny fanomanana, ny fampiofanana ary ny fanazarana, satria ny fahombiazan’ny fiatrehana hamehana dia miankina amin’ny haavon’ny fiomanana mialoha.

Ny rafitra ara-pahasalamana matanjaka dia tsy aorina ao anatin’ny hamehana, fa vokatry ny fanamafisana mitohy ny fahaiza-manao, ny fandrindrana ary ny fiaraha-miasa eo amin’ireo mpisehatra rehetra.

 

Amin’ny alalan’ny fiofanana sy ny fanomanana mialoha no anamafisan’ny Minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka ny fiarovana ny fahasalaman’ny vahoaka sy ny fahavononan’ny firenena manoloana ireo hamehana ara-pahasalamana.

MIASA MIARAKA HO AN’NY FANOVANA, MANASITRANA NY FIRENENA.

 
 

Ny Fitaleavana ny Serasera. 09-juin-2026