ASARAMANITRA 2026 : HAFALIANA SY FANOHANANA HO AN’IREO ANKIZY MANARAKA FITSABOANA

Ao anatin’ny fankalazana ny faha-66 taona nahazoan’i Madagasikara ny fahaleovantena, dia nitsidika ny CHU Mère-Enfants Ambohimiandra sy ny CHU Mère-Enfants Tsaralalàna ireo tompon’andraikim-panjakana, nahitana ny Minisitry ny Fahasalamam-bahoaka, Dr. MANAGNA Monira, ny Minisitry ny Mponina sy ny Firaisankina, Ramatoa RAKOTONIAINA Voahanginirina Cathia, ny solontenan’ny Vadin’Andriamatoa Filohan’ny Repoblika ary ny solontenan’ny Minisiteran’ny Foloalindahy tamin’ny alalan’ny Lehiben’ny Komity mpikarakara ny Asaramanitra.

Nandritra izany no nanolorana kilalao sy kojakoja isan-karazany ho an’ireo ankizy manaraka fitsaboana, ho mariky ny fitiavana sy ny firaisankina ary ho fanohanana azy ireo sy ny fianakaviany amin’izao fotoana lalovan’izy ireo izao.

Mihoatra lavitra noho ny fitsaboana ny fikarakarana ny zaza marary. Mitana anjara toerana lehibe amin’ny fahasitranana ihany koa ny fampaherezana ara-tsaina, ny fanehoam-pitiavana ary ny fanomezana hafaliana izay mitondra tsiky sy fanantenana ho an’ny ankizy.

Ity hetsika ity dia maneho ny finiavan’ny Fanjakana hanohy hanome lanja ny fahasalaman’ny ankizy sy ny fanohanana ireo fianakaviana, amin’ny alalan’ny hetsika mitondra fifaliana sy fanantenana eny anivon’ireo toeram-pitsaboana.

MIASA MIARAKA HO AN’NY FANOVANA, MANASITRANA NY FIRENENA.

Fitaleavana ny Serasera 10-juin-2026