MPOX : MANAMAFY NY FIAROVANA ARA-PAHASALAMANA ENY AMIN’NY SISINTANY
Nosokafan’Andriamatoa Sekretera Jeneraly, Dr. Ephraïm Stephanson RANDRIANAMBININA, misolo tena an-dRamatoa Minisitry ny Fahasalamam-bahoaka, tamin’ny fomba ofisialy ny hetsika fanentanana sy fanaovana vaksiny hiadiana amin’ny aretina Mpox, izay hotanterahina mandritra ny telo andro eny amin’ny seranam-piaramanidina Ivato.
Tanjona amin’ity hetsika ity ny hiaro ireo mpiasa sy ireo sokajin’olona marefo mety ho tratran’ny aretina, hampitombo ny tahan’ny fanaovana vaksiny, hanamafy ny fahalalana momba ny Mpox sy ny fomba fisorohana azy, ary hanatsara ny fahaiza-mamantatra sy mampandre haingana ireo tranga ahiahiana eny amin’ireo vavahady fidirana eto Madagasikara.
Nandritra ny lanonana dia natolotra tamin’ny fomba ofisialy ihany koa ireo fitaovam-piarovana manokana (EPI) sy fitaovana fanohanana isan-karazany ho an’ireo sampan-draharaha miandraikitra ny fanaraha-maso ara-pahasalamana eny amin’ny seranam-piaramanidina sy seranan-tsambo iraisam-pirenena manerana ny Nosy. Tafiditra ao anatin’ny fanohanan’ny mpiara-miombon’antoka STRIDES sy ny OIM izany, ho fanamafisana ny fahavononana hiatrika ireo loza mitatao ara-pahasalamana.
Ny fanamafisana ny fisorohana, ny fahamailoana ary ny fandrindrana eny amin’ny sisintany no isan’ireo andry fototra hiarovana ny fahasalaman’ny vahoaka sy hanamafisana ny fiarovana an’i Madagasikara manoloana ireo valanaretina mety hitranga
Ny Fitaleavana ny Serasera 10-juin-2026