ILAINA NY FAMPIOFANANA MITOHY HO AN’NY MPIASAN’NY FAHASALAMANA REHETRA ETO MADAGASIKARA

Saropady ny fahasalamam-bahoaka, ka ilaina ny fanamafisana hatrany ny fahaiza-manao sy traikefa eo amin’ny asa sahanina. Ny fampiofanana mitohy dia anisan’ny fototra lehibe mitondra fanatsarana sy fivoarana eo amin’ny fomba fiasa amin’ny sehatry ny fahasalamana.

Ao anatin’ny atrikasa fifandrombonana niarahana tamin’ireo fitaleavana, sampandraharaha ary mpiara-miombon’antoka eo anivon’ny Minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka no nananganana sy nanamafisana ny drafitra maty paika entina mandrindra ny fampiofanana. Tanjona ny hanomezana rafitra mazava sy mahomby ahafahana mamaly ny filàn’ny vahoaka amin’ny sehatry ny fitsaboana eto Madagasikara.

Mifandraika amin’ny fanavaozana tanterahina eto amin’ny firenena ihany koa ity dingana ity, ka nandraisana fepetra ny fanatsarana ny fomba fampitana sy ny paikady entina manatanteraka ny fampiofanana eo anivon’ny Minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka.

 

Midika izany fa anjara biriky lehibe entin’ny Minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka ao anatin’ny fanavaozana ny fanamafisana ny fahaiza-manao sy ny fanatsarana ny fomba fiasa, mba hitondra fandrosoana ho an’i Madagasikara. Ny fanomezana tolotra ara-pahasalamana mahomby sy mifototra amin’ny maha olona dia miainga amin’ny fanohanana sy fanamafisana ny fahaizan’ny mpiasan’ny fahasalamana rehetra.

Ny Fitaleavana ny Serasera 10-juin-2026