FANAMAFISANA NY FIARAHA-MIASA HO FANATSARANA NY TONTOLON’NY FAHASALAMANA AO AMIN'NY SAMPAN-DRAHARAHAN'NY VONJY AINA EO ANIVON'NY HÔPITALIM-PANJAKANA
Alakamisy 11 Jona 2026, tao amin’ny Centre Hospitalier Universitaire Joseph Ravoahangy Andrianavalona (CHUJRA), dia nisy ny fihaonana teo amin-dRamatoa Minisitry ny Fahasalamam-bahoaka, Dr. MAGNANA Monira, sy ny Masoivohon’i Frantsa monina eto Madagasikara, niaraka tamin’ireo tompon’andraikitra avy ao amin’ny fikambanana "La Chaîne de l’Espoir", mpiara-miombon’antoka amin’ny fanohanana ireo paikady fanatsarana ny sehatry ny fahasalamana, indrindra eo amin’ny fandraisana sy fikarakarana ireo marary eny amin’ny sampan-draharahan’ny vonjy taitra ara-pitsaboana.
Nandritra izany no nanolorana fitaovana ara-pitsaboana sy fanafody ho fanamafisana ny fandraisana sy ny fikarakarana ireo marary, ary ho fanatsarana hatrany ny kalitaon’ny tolotra ara-pahasalamana omena ny vahoaka.
Nisy ihany koa ny fifanakalozan-kevitra momba ny fanamafisana sy fanitarana ny fiaraha-miasa eo amin’ny andaniny sy ankilany, indrindra amin’ny sehatry ny fahasalamana sy ny fanohanana ireo tobim-pahasalamana amin’ny alalan’ny fampitaovana sy ny fampiofanana ireo mpiasan’ny fahasalamana.
Nohamafisina nandritra ny fihaonana ihany koa ny fanatanterahana ny "Projet de renforcement de l’accès aux soins d’urgence", izay mikendry ny hanatsara ny fandraisana vonjy taitra sy ny fanomezana tohana ara-pitaovana ary ara-teknika, ho fanomezana tolotra ara-pahasalamana manara-penitra sy manome lanja ny maha-olona.
Naneho ny fahavononany hanohy sy hanamafy ny fiaraha-miasa amin’i Madagasikara hatrany ireo mpiara-miombon’antoka frantsay, ho fampandrosoana ny fahasalamam-bahoaka sy ho fanatsarana ny fikarakarana ny marary manerana ny Nosy.
MIASA MIARAKA HO AN’NY FANOVANA, MANASITRANA NY FIRENENA.
Ny Fitaleavana ny Serasera 11-juin-2026