MINISITERAN'NY FAHASALAMAM-BAHOAKA MANAKAIKY IREO MARARY : FITSIDIHANA TAO AMIN'NY CHU-JRA SY CENHOSOA (ANTANANARIVO)

Taorian’ny dinika nifanaovan-dRamatoa Minisitry ny Fahasalamam-bahoaka, Dr. MAGNANA Monira, sy ny Masoivohon’i Frantsa monina eto Madagasikara, niaraka tamin’ny Fikambanana La Chaîne de l’Espoir, dia nitsidika ireo marary ao amin’ny CHU-JRA sy CENHOSOA Ramatoa Minisitra sy ny delegasiona niaraka taminy. Nandritra izany no nitondrany teny fankaherezana sy fanomezan-toky fa mijoro eo anilan’ny marary sy ny fianakaviany hatrany ny Fitondram-panjakana amin’ny alalan’ny Minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka.

Notsidihina manokana ireo marary manaraka fitsaboana ao amin’ny sampana vonjy aina, anisan’izany ireo olona tratran’ny fanapoizinana ara-tsakafo teto Antananarivo. Fotoana nifanakalozana sy nihainoana mivantana ny toe-pahasalaman’izy ireo izany, sady nitondrana teny fampaherezana sy firariantsoa ho amin’ny fahasitranana haingana.

Nohamafisin-dRamatoa Minisitra nandritra ny fitsidihana fa laharam-pahamehana ho an’ny Minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka ny fiarovana ny fahasalaman’ny vahoaka sy ny fanatsarana hatrany ny kalitaon’ny tolotra ara-pahasalamana, indrindra amin’ny fiatrehana ireo tranga vonjy taitra sy loza mitatao amin’ny fahasalamam-bahoaka.

Efa nandray sy manohy mampihatra ireo fepetra rehetra ilaina ny Minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka mba hisorohana ny fiverenan’ny tranga tahaka izao, ka anisan’izany ny :

  • Fanesorana eny an-tsena ireo vokatra voakasika sy fanamafisana ny fanaraha-maso ara-pahasalamana ny sakafo;
  • Fanamafisana ny fanaraha-maso eny amin’ireo tobim-pahasalamana;
  • Fanatanterahana fanadihadiana ara-epidemiolojika sy fikarohana ireo tranga vaovao;
  • Fanamafisana ny fahaizan’ireo mpiasan’ny fahasalamana amin’ny fitiliana mialoha sy ny fitsaboana haingana ireo tranga ahiahiana.

Miara-miasa akaiky amin’ireo rafitra nasionaly sy ireo mpiara-miombon’antoka iraisam-pirenena, indrindra ny OMS, ny Minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka mba hiantohana ny fikarakarana mahomby ireo marary sy hisorohana ny fiparitahan’ny tranga vaovao.

Manentana ny vahoaka hatrany ny Minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka mba :

  • Hanaraka ny fitsipika momba ny fahadiovana amin’ny fanomanana sy fitahirizana sakafo;
  • Tsy hihinana sakafo ahitana endrika, fofona na fonosana mampiahiahy;
  • Hanaraka ireo vaovao ofisialy avoakan’ny tompon’andraikitra ara-pahasalamana;
  • Hamonjy haingana ny tobim-pahasalamana raha misy soritr’aretina miseho aorian’ny fihinanana sakafo.

Ny fahasalaman’ny vahoaka no antoky ny fampandrosoana. Mitohy ny ezaka rehetra ataon’ny Minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka mba hahazoan’ny Malagasy rehetra fikarakarana ara-pahasalamana manakaiky, manara-penitra ary manome lanja ny maha-olona.

 

MIASA MIARAKA HO AN’NY FANOVANA, MANASITRANA NY FIRENENA.

Ny Fitaleavana ny Serasera 11-juin-2026