VAVOLOMBELON’NY MPIASA NY BAI NGA MIVADIKA

Teny arahan’asa no tena azo handrefesana ny fiovana, ary ny fanatanterahana ny teny nomena no mampiseho ny finiavana hitondra vahaolana maharitra sy mivaingana ho an’ny vahoaka.

Vaindohan-draharahan’ny Fitondram-panjakana ny famaliana ireo fitakiana ara-drariny sy ny fanatsarana ny fari-piainan’ny olom-pirenena. Ankoatra ireo ezaka atao amin’ny famahana ny olan’ny jiro sy rano, dia anisan’ny laharam-pahamehana ihany koa ny fanatsarana ny tontolon’ny asa sy ny fiahiana ireo mpiasam-panjakana.

Ho an’ny mpiasan’ny fahasalamana manokana, izay miasa anaty toe-javatra mety hitera-doza sy manolo-tena isan’andro amin’ny famonjena aina, dia nekena sy nankatoavina ny tambin-karama mifandraika amin’ny loza ateraky ny asa. Fankasitrahana ny ezaka sy ny sorona ataon’izy ireo izany, sady dingana iray lehibe ho fanatsarana ny tontolon’ny fahasalamana eto Madagasikara. Voamariky ny didim-panjakana nivoaka ny 10 Jona lasa teo izany, araka ny fanapahan-kevitra noraisina nandritra ny Filankevitry ny Minisitra.

Tanteraka izao tombontsoa izao noho ny fifampihainoana sy ny finiavana hitondra vahaolana maharitra, ary noho ny fanohanana sy ny ady sisika nataon-dRamatoa Minisitry ny Fahasalamam-bahoaka, Dr. MAGNANA Monira, izay nitondra ny feon’ireo mpiasan’ny fahasalamana sy niaro ny tombontsoan’izy ireo teny amin’ireo sehatra fanapahan-kevitra.

"Ny manetsa be mbola ho avy."

 

Mbola maro ireo fanamby sy asa fanarenana miandry ny Firenena. Na izany aza, ny fahafahana mametraka laharam-pahamehana sy manatanteraka tsikelikely ireo fanamby atrehan’ny vahoaka no porofon’ny fanavaozana sy ny fiovana tena misy.

 
 

MIASA MIARAKA HO AN’NY FANOVANA, MANASITRANA NY FIRENENA.

 

Ny Fitaleavana ny Serasera 12-juin-2026