SYMPOSIUM NASIONALY MOMBA NY FIKOJAKOJANA IREO FITAOVANA ARA-PITSABOANA : ANTONY IRAY HANATSARANA NY KALITAON’NY TOLON’NY FAHASALAMANA

Notanterahina tao amin’ny CNARP, Antananarivo, ny 10 sy 11 Jona 2026, ny fihaonambe nasionaly ara-tsiantifika voalohany natokana ho an’ny fikojakojana ireo fitaovana ara-pitsaboana (maintenance biomédicale), sehatra iray tena manan-danja amin’ny fiantohana ny fahombiazan’ny tolotra ara-pahasalamana omena ny vahoaka.

Natao ity hetsika ity mba hanamafisana ny maha-zava-dehibe ny fitantanana sy fikojakojana ireo fitaovana ara-pitsaboana, hanatsarana ny faharetany sy ny fampiasana azy am-pahombiazana, ary hanamafisana ny kalitaon’ny fitsaboana sy ny fikarakarana ara-pahasalamana manerana ny tobim-pahasalamana.

Fotoana iray ihany koa izy io nampivondrona ireo teknisianina, injeniera ary matihanina amin’ny sehatra biomedikaly, hifanakalozana traikefa sy fahalalana ara-teknika ary ara-tsiantifika, ho fanamafisana ny fahaiza-manao sy ny fanavaozana eo amin’ny sehatra.

Nandritra ny lanonana fanokafana dia nisolo tena an-dRamatoa Minisitry ny Fahasalamam-bahoaka, Dr. MAGNANA Monira, Andriamatoa Tale Jeneraly misahana ny Tolotra ara-pahasalamana, Dr. TOMBOFENO Vagnono Jorondraza Jean Marc. Nentiny tamin’izany ny hafatry ny Minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka mikasika ny fanamafisana ny kalitaon’ny rafitra ara-pahasalamana sy ny fanomezana tolotra manara-penitra ho an’ny vahoaka.

Nohamafisina nandritra ny fihaonana fa ny fanofanana sy ny fanatsarana hatrany ny fahaiza-manaon’ireo teknisianina sy injeniera biomédikaly no antoky ny faharetan’ireo fitaovana ara-pitsaboana, ny fampihenana ny fahatapahan’ny tolotra ary ny fanomezana fikarakarana mahomby sy azo antoka ho an’ny marary.

Natao teo ambany fiahian’ny Minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka ity hetsika ity ary notanterahin’ny Association des Techniciens et Ingénieurs Biomédicaux de Madagascar (ATIBM), porofon’ny fiaraha-miasa matanjaka eo amin’ny sehatra teknika sy ny andrim-panjakana ho fampandrosoana ny fahasalamam-bahoaka.

Ao ambadik’ireo fitaovana miasa tsara sy manome valiny marina isan’andro eny anivon’ny hopitaly sy tobim-pahasalamana, dia misy ireo teknisianina sy injeniera miasa amim-pahazotoana mba hiantohana ny fitohizan’ny fikarakarana ny marary. Izany indrindra no mahatonga ny fikojakojana ara-biomedikaly ho anisan’ny antoky ny fiarovana ny ain’ny vahoaka sy ny fanatsarana ny kalitaon’ny tolotra ara-pahasalamana.

 

Manamafy hatrany ny fanoloran-tenany ny Minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka amin’ny fanatsarana maharitra ny rafitra sy ny fitaovana ara-pahasalamana, satria ny fitaovana voakarakara tsara dia antoky ny fitsaboana tsara sy ny fahasalaman’ny vahoaka.

Ny Fitaleavana ny Serasera 12-juin-2026