12 JONA 2026 : FANAMARIHANA NY ANDRO IRAISAM-PIRENENA HO AN’NY ARETINA LUPUS

Centre Hospitalier Universitaire Joseph Raseta Befelatanana

Aretina mitaiza vokatry ny fikorontanan’ny hery fiarovan’ny vatana ny Lupus, ka mety hiantraika amin’ny taova maro toy ny hoditra, ny tonon-taolana, ny voa ary ireo taova hafa. Mitaky fanaraha-maso sy fitsaboana maharitra izy io mba hisorohana ny fahasarotana mety hitranga.

Araka ny fanadihadiana natao tao amin’ny sampana Dermatolojia ao amin’ny CHU Joseph Raseta Befelatanana, dia manodidina ny 0,11 % hatramin’ny 0,15 % amin’ireo marary voaray no voan’ny lupus.

Notanterahina tao amin’ny Salle de Conférence ny fanamarihana ny Andro Iraisam-pirenena ho an’ny aretina Lupus. Nandritra izany dia nisy ny fampahafantarana momba ny aretina, nanazavana ny toetrany, ny fomba fitsaboana azy ary ireo mpitsabo miandraikitra ny fikarakarana ireo marary.

Nisy ihany koa ny fifanakalozan-kevitra teo amin’ireo marary sy ireo matihanina ara-pahasalamana, nahafahana nizara vaovao sy namaly ireo fanontaniana samihafa mikasika ny Lupus. Ankoatra izany, dia nisy ny fijoroana vavolombelona nataon’ireo olona miaina miaraka amin’ity aretina ity, izay nizara ny traikefany sy ny fomba iainany azy amin’ny fiainana andavanandro.

Nohamafisina nandritra ny hetsika ny maha-zava-dehibe ny fanabeazana ara-pahasalamana, ny fahalalana mialoha ny aretina, ary ny fanohanana ireo olona voakasika, mba hanatsarana ny kalitaon’ny fiainany.

 

MIASA MIARAKA HO AN’NY FANOVANA, MANASITRANA NY FIRENENA.

Ny Fitaleavana ny Serasera 12-juin-2026