Fandrindrana ny fiainam-pianakaviana

FANDROSOANA, FAHAVELOMANA ; VOKATRA AZO AMIN’NY FANDRINDRANA FIAINAM-PIANAKAVIANA

New York 24-25 Septembra 2024

Nohon’ny fahatsapana fa andry hiankinan’ny Fampandrosoana ny Fandrindrana Fiainam-pianakaviana dia Firenena maro no mandray anjara amin’ny fihaonam-be sy fifanakalozana any New York ka mandray anjara feno i Madagasikara amin’ny alalan’ny Ministeran’ny Fahasalamam-bahoaka izay tarihan’Atoa Minisitra, Prof. Zely Arivelo RANDRIAMANANTANY.

Laharampahamehana ho an'i Madagasikara izay tarihan’ny Filoha Andry RAJOELINA ny fahasalamana ho an'ny mponina ao aminy indrindra fa ny fananahana ara-pahasalamana sy ny fandrindrana ny fianampianakaviana ka nisongadina nandritry ny lahatenin’Atoa Ministry fahasalamam- bahoaka Prof. Zely Arivelo RANDRIAMANANTANY ny fisaorana ny Filoha manontona ny heriny rehetra raha ny Fahasalamam-bahoaka no resahana.

Nitondra avo ny feon’i Madagasikara amin' ireo ezaka sy zava-bita ary ireo programa mikasika izany ny Minisitry ny Fahasalamam-bahoaka  mandritra ny dinika momban'ny famantsiambolan'ny fananahana ara-pahasalamana. Voalaza tamin’izany ary fa Madagasikara dia anisan'ireo modely azo angalana tahaka eto Afrika amin'ny fampiasam-bola ho fampiroboroboana ny fandrindrana fianampianakaviana.

Vahoaka salama, vahoaka salama

Ministeran'ny fasalamam-bahoaka eo anilanao hatrany

SCM/DIRCOM 25-sept.-2024

Zoom sur

Nos autres Activités