FIANTOHANA ARA-PAHASALAMANA

Tombony ho an’ny olom-pirenena ny fananana fiantohana ara-pahasalamana, satria manampy amin’ny fanalefahana ny vesatra ara-bola amin’ny fitsaboana sy manatsara ny fidirana amin’ny tolotra ara-pahasalamana.

Hiaraha-miasa sy hifanampy amin’ny Minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka ireo mpikambana ao amin’ny fikambanana eo amin’ny sehatry ny fiantohana ara-pahasalamana manerana an’i Madagasikara, ao anatin’ny fanamafisana ny rafitra fiarovana ara-tsosialy eo amin’ny sehatry ny fahasalamana.

Tontosa androany ny fanokafana amin’ny fomba ofisialy sy ny sonia fifanarahana fiaraha-miasa eo amin’ny Minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka sy ny Federasiona nasionaly ho an’ny fiantohana ara-pahasalamana “MIARA MIAHY”, izay ahitana mpikambana miisa 11 miparitaka amin’ny faritra 22.

Ity fiaraha-miasa ity dia hifantoka amin’ny fanatsarana ny fidirana amin’ny tolotra ara-pahasalamana maimaimpoana sy mirindra, indrindra amin’ny sehatry ny fahasalamana ara-pananahana sy ny fandrindrana ny fiainam-pianakaviana.

Fantatra fa efa nanomboka ny taona 2019 no nijoro ny Federasiona nasionaly “MIARA MIAHY”, izay ahitana tobim-pahasalamana fototra (CSB) miisa 987, ka ny Faritra Analamanga no betsaka indrindra amin’izany.

Ny tetikasa WISH2, eo ambany fiahian’ny International Planned Parenthood Federation aty Afrika, no hanohana ara-bola sy ara-panafody ity fiaraha-miasa ity mandritra ny telo taona, mba hanamaivanana ny vesatra mianjady amin’ny tokantrano Malagasy sy hanatsarana ny fidirana amin’ny fitsaboana.

Misokatra hatrany ny Minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka amin’ny fiaraha-miasa rehetra mitondra vahaolana maharitra sy mamaly ny filan’ny vahoaka eo amin’ny sehatry ny fahasalamana.

 

MIASA MIARAKA HO AN’NY FANOVANA, MANASITRANA NY FIRENENA

Ny Fitaleavana ny Serasera 12-juin-2026