AKON’NY FANAMARIHANA HETSIKA ARA-PAHASALAMANA MARO SOSONA IRAY VOLAN’NY ANKIZY – FANOMEZAN-DRÀ – ADY AMIN’NY DREPANOCYTOSE
Ao anatin’ny fanamafisana hatrany ny fiarovana ny fahasalaman’ny vahoaka, dia nankalazaina niaraka ireo hetsika ara-pahasalamana telo lehibe : ny fanombohana ny Iray Volan’ny Ankizy tamin’ny alalan’ny vaksiny faobe, ny Andro Maneran-tany ho an’ny Fanomezana Rà, ary ny ady amin’ny Drepanocytose (faingosela).
Ho fiarovana ny ankizy sy ny ho avin’ny firenena, dia natao akaiky vahoaka ny hetsika ara-pahasalamana, nanamafy ny fanentanana, ny fisorohana ary ny fitiliana mialoha ny aretina.
Ho fanamafisana ny maha zava-dehibe ny fanavotana aina, dia nentina nanamarika ny Andro iraisam-pirenena ho an’ny mpanome rà ny teny filamatra :
“Singa avy aminao, vonjy aina amin’ny hafa, andao hanome rà”
Fanomezana rà dia fanomezana aina
Tao amin’ny Hopitaly CHRR Namahora, Faritra Menabe, notarihin’Atoa Tale, no nanatanterahana ny hetsika, ka nahitana fandraisana anjara avy amin’ny sivily, miaramila ary ireo olo-manan-kaja. Nandritra ny fandraisam-pitenenana nifandimby dia nohamafisina ny maha zava-dehibe ny fanomezana rà ho famonjena aina.
Etsy ankilany, tao amin’ny Faritra Analanjirofo, Ramatoa Talem-paritry ny Fahasalamana Dr. SAMISONINA Claudia Sylviane dia nanamafy ny fanentanana sy ny fanazavana mikasika ireo hetsika, sady nisaotra ireo mpiara-miombon’antoka rehetra tamin’ny fanohanana sy ny fifanomezan-tanana.
Amin’ny ankapobeny, ireo hetsika ireo dia mifantoka amin’ny tanjona iombonana :
fiarovana ny fahasalaman’ny ankizy
famonjena aina amin’ny alalan’ny fanomezan-drà
ady amin’ny aretina mitaiza toy ny drepanocytose
Mankasitraka ny ekipa rehetra sy ireo mpiara-miombon’antoka tamin’ny ezaka sy ny firaisankina nahafahana nanatontosa izao hetsika izao.
Manome rà, manome aina
Ho an’ny fahasalaman’ny vahoaka hatrany
Miaraka isika manorina fahasalamam-bahoaka matanjaka sy maharitra
Ny Fitaleavana ny Serasera 15-juin-2026