FANOKAFANA TAMIN’NY FOMBA OFISIALY NY FANDIDIANA FAOBE NY ARETINA

Notanterahina androany ny fanokafana amin’ny fomba ofisialy ny fandidiana faobe maimaimpoana ho an’ireo olona manana fahasarotana ateraky ny Filariose Lymphatique (Bongabe sy Ongobe) avy amin’ny Distrikan’i Fénérive-Est, Vavatenina, Soanierana Ivongo ary Mananara Avaratra. Hetsika entin’ny Minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka manamafy ny fampiharana ny politika nasionaly momba ny fahafahan’ny rehetra misitraka fitsaboana tsara kalitao sy mifototra amin’ny fanajana ny maha-olona.

Mialoha izao fandidiana izao dia efa nandray fepetra maro ny Minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka tamin’ny alalan’ny fanisam-bahoaka sy fanentanana niaraka tamin’ireo Agents Communautaires, fizarana fanafody faobe (MDA), fanadihadiana ara-epidemiolojika, fitiliana sy fanamarinana ireo tranga ary fikarakarana ireo marary eny anivon’ny CSB. Manaporofo izany fa tsy miandry ny aretina hiharatsy ny Minisitera fa mandray andraikitra manomboka amin’ny fisorohana ka hatramin’ny fitsaboana.

Ankasitrahana ny fiaraha-miasan’ny OMS amin’ny fanohanana ity hetsika ity. Mampiseho indray izao asa izao fa tsy misy adino ary tsy misy avela ankilabao eo amin’ny sehatry ny fahasalamana, satria laharam-pahamehan’ny Fitondram-panjakana sy ny Minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka ny fanatsarana hatrany ny fahasalaman’ny vahoaka.

MIASA MIARAKA HO AN’NY FANOVANA, MANASITRANA NY FIRENENA.

Ny Fitaleavana ny Serasera.sary : DRSP ANALANJIROFO – COMM. 16-juin-2026