MANAMAFY HATRANY NY FAHASALAMAN’NY VAHOAKA NY MINISITERAN’NY FAHASALAMAM-BAHOAKA
Tsy mitsahatra manamafy ny fitaovana sy ny fomba fiasa ho fanatsarana ny tolotra ara-pahasalamana ny Minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka. Solosaina vaovao no natolotra ny Fitaleavam-paritra Menabe, avy amin’ny fanohanan’ny UCP/Fonds Mondial, ho fanamafisana ny asa eny ifotony sy ny fitantanana ireo hetsika ara-pahasalamana manakaiky ny vahoaka.
Ho an’ny Minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka, ny fanavaozana ara-pitaovana dia tsy tanjona fotsiny fa fitaovana entina manatsara ny kalitaon’ny asa sy mampitombo ny fahombiazan’ny tolotra omena ny olom-pirenena. Na dia any amin’ireo faritra lavitra aza, dia tohizana hatrany ny ezaka mba hahazoan’ny rehetra tolotra ara-pahasalamana manara-penitra sy mahomby.
Manaporofo indray izao hetsika izao fa tsy mitsitsy ezaka ny Fitondram-panjakana sy ny Minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka amin’ny fampitaovana sy fanamafisana ny rafitra ara-pahasalamana, satria ny fahasalaman’ny vahoaka no fototry ny fampandrosoana sy antoky ny hoavy tsaratsara kokoa.
Ho an’ny fahasalamam-bahoaka hatrany.
Ny Fitaleavana ny Serasera. sary: DRSP ANALANJIROFO – COMM. 16-juin-2026