FAHASALAMANA ARA-PANANAHANA SY NY FANDRINDRANA NY FIAINAM-PIANAKAVIANA
Tsy mipetra-potsiny ny Minisiteran'ny Fahasalamam-bahoaka manoloana ireo fanamby mipetraka amin’ny fikarakarana ny fahasalaman’ny vahoaka. Anisan’ny laharam-pahamehana amin’izany ny fanamafisana ny fampiroboroboana ny fahasalamana ara-pananahana sy ny fandrindrana ny fiainam-pianakaviana.
Ao anatin’izany dia ilaina ny fananana antontanisa mazava sy azo antoka mba hanampiana ireo tompon’andraikitra sy mpiara-miombon’antoka handray fanapahan-kevitra mifanaraka amin’ny zava-misy eny ifotony.
Ho fanamafisana ny kalitaon’ny fanangonana sy fitantanana ireo antontanisa ara-pahasalamana dia nohamafisina ny traikefa sy ny fahaiza-manao eo amin’ny sehatra voakasika. Izany indrindra no nanosika ny FISA Madagascar, amin’ny alalan’ny Tetikasa WISH 2, hanolotra fitaovana ahitana solosaina birao, imprimante ary carte SIM.
Natao hanamorana ny fifandraisana sy ny fandrindrana ny asa eo amin’ireo tompon’andraikitra rejionaly misahana ny fandaharan’asa momba ny fahasalamana ara-pananahana ao amin’ny Faritra Boeny sy ireo Responsable Programme SR/PF any amin’ny Distrika Mahajanga II, Marovoay ary Ambatoboeny izany fanohanana izany.
MIASA MIARAKA HO AN’NY FANOVANA, MANASITRANA NY FIRENENA
Ny Fitaleavana ny Serasera. Sary : DRSP BOENY - COMM. 17-juin-2026