CHRR TSIROANOMANDIDY – DRSP BONGOLAVA – FITSABOANA MIFOTOTRA AMIN’NY MAHA OLOMBELONA

Araka ny toromarika nivoaka nandritra ny Filankevitry ny Minisitra tamin’ny 10 Jona 2026 momba ny fanatanterahana ny hetsika Varavarana Misokatra eny anivon’ny hopitaly manerana ny Nosy, dia isan’ireo mandray anjara amin’izany ny CHRR Tsiroanomandidy ato amin’ny Faritra Bongolava.

Nosokafana tamin’ny fomba ofisialy ny 17 Jona 2026 ity hetsika ity ary hitohy ny 18 sy 19 Jona 2026. Tonga nanome voninahitra ny lanonana fanokafana ny Préfet-n’i Tsiroanomandidy, ireo solontenan’ny Lehiben’ny Faritra sy ny Ben’ny Tanàna, ary ireo mpiasan’ny fahasalamana miasa ao amin’ny Faritra Bongolava.

Tanjona amin’izao hetsika izao ny hampanakaiky kokoa ny tolotra ara-pahasalamana ny vahoaka sy hanomezana fahafahana azy ireo hijery sy hikarakara ny fahasalamany amin’ny alalan’ny tolotra maimaim-poana maro, ahitana ny fitiliana diabeta, VIH ary tuberkolozy, ny forazaza, ny fanorana ara-pahasalamana, ny fitiliana ny aretin’ny maso sy ny katarakta, ny échographie ho an’ny vehivavy bevohoka, ny radiographie, ny fijerena tosidrà ary ny fanaovana vaksiny MPOX.

Maneho ny finiavan’ny Minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka hanamafy ny fahazoan’ny olom-pirenena tolotra ara-pahasalamana manara-penitra sy akaiky azy hatrany izao hetsika izao, ka mampiseho fa ny fahasalaman’ny vahoaka no ivon’ny ezaka rehetra entina manatsara ny rafitra ara-pahasalamana eto Madagasikara.

MIASA MIARAKA ISIKA HO AN’NY FANOVANA MANASITRANA NY FIRENENA

 

 

Ny Fitaleavana ny Serasera. Sary : DRSP BONGOLAVA – COMM. 17-juin-2026