VARAVARANA MISOKATRA MOMBA NY FAHASALAMANA – DRSP MENABE

Natomboka ny 17 Jona 2026 tao amin’ny CHRR Namahora Morondava ny hetsika Varavarana Misokatra momba ny Fahasalamana, izay hitohy ny 18 sy 19 Jona 2026.

Tonga nanome voninahitra sy nanokatra tamin’ny fomba ofisialy ny hetsika ny Préfet-n’i Morondava, ireo solontenan’ny Lehiben’ny Faritra, ny solontenan’ny Ben’ny Tanàna, ireo olo-manan-kaja sivily sy miaramila, ary ireo mpiasan’ny fahasalamana ao amin’ny Faritra Menabe.

Ny tanjona dia ny hanakaikezana kokoa ny tolotra ara-pahasalamana amin’ny vahoaka, indrindra ireo be antitra sy marefo, amin’ny alalan’ny fanomezana fitsaboana sy fitiliana maimaim-poana, ahitana ny fizaham-pahasalamana ankapobeny, fitiliana diabeta, VIH ary tuberkolozy, fanorana ara-pahasalamana, fitiliana ny aretin’ny maso sy katarakta, échographie ho an’ny vehivavy bevohoka, radiographie sy scanner, fijerena tosidrà, ary fanaovana vaksiny ho an’ny reny sy ny zaza ary ny daholobe amin’ny ady amin’ny MPOX sy ny haromotana.

Naneho fisaorana ny Fitondram-panjakana amin’ny alalan’ny Minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka ny mpandray anjara sy ny mpiara-miombon’antoka rehetra amin’ny fanatanterahana izao hetsika izao.

Ho an’ny fahasalaman’ny vahoaka hatrany.

MIASA MIARAKA HO AN’NY FANOVANA, MANASITRANA NY FIRENENA

Ny Fitaleavana ny Serasera.Sary :DRSP MENABE – COMM 18-juin-2026