VARAVARANA MISOKATRA HO AN’NY HÔPITALIM-PANJAKANA REHETRA – ZON’NY REHETRA NY MISITRAKA FAHASALAMANA
Nosokafana ny marainan’ny 17 Jona 2026 tao amin’ny CHRR Melaky ny hetsika varavarana misokatra ho an’ny fizaham-pahasalamana ho an’ny daholobe, izay haharitra telo andro (17–18–19 Jona 2026).
Ny fotoam-panokafana tamin’ny fomba ofisialy dia natrehin’ny Adjoint Préfet Maintirano, ny solontena avy amin’ny Faritra, ny Adjoint Maire Maintirano, ny Assistant parlementaire, ary ireo mpiasan’ny fahasalamana.
Ny Fitaleavam-paritry ny Fahasalamam-bahoaka ao Melaky no nitarika sy nikarakara ny hetsika, izay nanamafy nandritra ny fifandimbiasam-pitenenana fa ny vahoaka no ivon’ny asa rehetra, ka omena azy ireo maimaim-poana ny tolotra ara-pahasalamana maro samihafa.
Anisan’izany ny fizaham-pahasalamana ankapobeny, fanalana nify, famoran-jaza, fandrindrana fiainam-pianakaviana, fampiterahana, échographie, ary ny fitiliana aretina maro toy ny VIH, tuberculose, lèpre, MPOX ary tazomoka, ary koa ny fitsaboana sy fanaovana vaksiny MPOX ary fakana tosi-dra.
Naseho ihany koa ireo tolotra ara-pahasalamana misy isan’andro izay azon’ny vahoaka idirana maimaim-poana, toy ny radiographie ho an’ny mararin’ny tuberculose, kit d’urgence, fond d’équité, ary ny fitsaboana ireo olona voan’ny VIH, tuberculose, habokana, tazomoka, MPOX ary ny fandrindrana fiainam-pianakaviana.
Samy naneho fankasitrahana ny Fitondram-panjakana amin’ny alalan’ny Minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka sy ny Fitaleavam-paritry ny Fahasalamam-bahoaka ireo rehetra nandray anjara, sady nanentana ny vahoaka mba ho tonga maro hisitraka izao hetsika izao.
MIASA MIARAKA HO AN’NY FANOVANA, MANASITRANA NY FIRENENA
Ny Fitaleavana ny Serasera.Sary : DRSP MELAKY – COMM. 18-juin-2026