ANATIN’NY FANAVAOZANA NY FIDIRANA AO AMIN’NY TONTOLON’NY NOMERIKA: FIAROVANA NY FANANAN-PANJAKANA, ANTOKY NY MANGARAHARA SY NY FANATSARANA NY KALITAON’NY FITSABOANA

Manohy ny fanavaozana ny sehatry ny fahasalamana ny Minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka amin’ny alalan’ny fampidirana sy fanamafisana ireo rafitra ara-kajy mirindra entina hanatsarana ny fitantanana maoderina sy mangarahara ny fitaovana ara-pahasalamana ampiasaina manerana ny tobim-pahasalamana. Manomboka amin’ny fitantanana ny foto-drafitrasa izany hatramin’ireo fitaovana rehetra ampiasaina eo amin’ny sehatry ny fitsaboana, manomboka amin’ny CSB ka hatrany amin’ny CHU.

Amin’ny alalan’ny fampiharana ny rafitra OpenClinic GMAO (Gestion de Maintenance Assistée par Ordinateur) dia azo arahi-maso amin’ny fotoana tena izy ny satan’ireo fitaovana biomédicaux, ny fikojakojana azy, ary ny fampiasana azy eny anivon’ny tobim-pahasalamana. Dingana lehibe mankany amin’ny rafitra ara-pahasalamana maoderina, mahomby ary maharitra izany, ahafahana miantoka ny fikojakojana ara-potoana ny fitaovana, mampihena ny fahatapahan’ny tolotra, miaro ny fampiasam-bolam-panjakana, ary manohana ny mpiasan’ny fahasalamana amin’ny fanatanterahana ny asany.

Efa nandalo dingana andrana (phase pilote) ity rafitra ity tany amin’ny tobim-pahasalamana vitsivitsy (CHU Anosiala, CHRR Itasy, CSB II Andranomanelatra). Ankehitriny dia eo amin’ny dingana fanombanana sy fanatsarana izy, mba hahafahana manitatra tsikelikely azy manerana ny tobim-pahasalamana eto amin’ny firenena. Maneho ny finiavan’ny Minisitera sy ireo mpiara-miombon’antoka aminy hanorina rafitra maoderina mifototra amin’ny traikefa sy ny lesona azo eny ifotony izany.

Ho an’ny vahoaka, tsotra ny vokatra andrasana: tsy fahatapahan’ny tolotra ara-pahasalamana, fahamendrehana sy faharetan’ny fitaovana, ary fanatsarana ny kalitaon’ny fitsaboana. Rafitra akaiky kokoa ny filan’ny mponina, sady manohana ireo mpiasan’ny fahasalamana amin’ny fanatanterahana fitsaboana mendrika sy mahomby ho an’ny rehetra.

Izao hetsika izao dia tohanan’ny Banky Iraisam-pirenena amin’ny alalan’ny Tetikasa PPSB (Tetikasa Ambina ho an’ny Fahasalamana Iraisina TAFAI), iarahan’ny UCP mandrindra sy ny UNOPS manatanteraka, indrindra amin’ny alalan’ny fanofanana ireo mpisehatra rehetra.

Namaranana ny hetsika ny fanolorana mari-pankasitrahana ho an’ireo mpiasan’ny fahasalamana nahavita fiofanana momba ny fikirakirana ny OpenClinic GMAO, ka izy ireo no handroso sy hizara ny traikefa ao amin’ny faritra misy azy avy. Notarihin’ireo Tale Jeneraly misahana ny Tolotra ara-pahasalamana sy ny Loharanon-karena eo anivon’ny Minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka izany.

 

MIASA MIARAKA HO AN’NY FANOVANA, MANASITRANA NY FIRENENA.

18-juin-2026